Alakamisy 13 Aogositra 2020
Izy (Andriamanitra) efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ny fahamarinana. Asan’ny Apostoly 17:31
Miomàna hihaona amin’Andriamanitrao. Amosa 4:12
Nandeha mafy ny fiaranay. Teo alohanay dia nisy fiara nitondra bisikileta maromaro teo ambony tafo, ary toa tsy tsara fatotra izy ireo. Nampihomehy ireo zanakay izany. Tampoka teo, nivaha ny bisikileta iray, nitsimbadibadika, ary nitontona teo amin’ny arabe ka niteraka pitik’afo marobe. Velona ny kiakiaka, navily tampoka ny familiana, nefa tafala soa aman-tsara ihany izahay. Indrisy anefa fa tao aoriananay dia fanisatra nidilotra no re, fiara roa nifandona, ary avy eo fiara maro…
Niato izahay —fiara ihany no simba, fa tsy nisy naratra— dia nanainga indray. Tsy nisy niteny intsony tao anaty fiara. Nanjary natahotra ny ankizy, satria nahatakatra ankehitriny ny loza mety hitranga eny an-dalana. Tsy niova ny loza, tsy nitombo, saingy tsapan’izy ireo ka nampiova ny fihetsiny.
Tsy toy izany koa ve ny eo amin’ny sehatra ara-panahy ? Maro ny mandeha milamina eny an-dalany eny, tsy hoe ieren-doza tsy akory, fa satria tsy tonga saina amin’ny loza mitatao. Loza inona moa ? Ny tsy maintsy hiharan’ny fitsaran’Andriamanitra sy ny fanamelohany. Zava-misy manetriketrika izany. Ary tsy maintsy atrehina… sy tena atahorana marina !
Nefa misy zavatra iray hafa tokony hahatonga saina ihany koa, dia ny fitiavan’Andriamanitra ny olona rehetra. Fitiavana lalina, midadasika, afaka mamaly ny fahantrana rehetra eo amin’ny olona. Fitiavana mampanantena famelan-keloka sy mamindra fo amin’izay mitoky amin’i Jesosy Kristy sy ny sorona nataony teo amin’ny hazofijaliana.