Zoma 14 Aogositra 2020
Ny saina tsy miovaova dia harovanao amin’ny fiadanana tanteraka, satria matoky Anao izy. Isaia 26:3
(Hoy Jesosy :) Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo ; tsy tahaka ny fanomen’izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo. Jaona 14:27
Miha tsy azo antoka kokoa hatrany ny hoavintsika : itataovan-doza ny planeta, miha mikororosy ny toe-piainana, miha mitombo ny tahan’ny tsy fananana asa, miseho miharihary eny amin’ny haino aman-jery ny kolikoly sy ny herisetra… Amin’ny fomba ahoana no hahafahana misitraka ny fiainana, ao anatina toejavatra mampitebiteby fatratra toy izany ?
Hanao ny fanaon’ny aotirisa ve, izany hoe tsy hihaino vaovao intsony ary tsy hihevitra afa-tsy ny tena ? Tokony hanararaotra araka izay tratra ny fotoana ankehitriny ve ? Raha lazaina amin’ny fiteny hafa, dia hoe : “Aoka isika hihinana sy hisotro, fa rahampitso dia ho faty” (1 Korintiana 15:32) ?
Misy lalana iray hafa aroson’ny Baiboly ho antsika, dia ny hametrahantsika amin’Andriamanitra ny fitokiantsika. Izy dia Andriamanitry ny fiadanana, ary te hanome antsika izany fiadanana izany. Voalohany indrindra, dia tsy maintsy vita fihavanana aminy isika, satria araka ny toetra maha olombelona antsika, dia fahavalony isika, mpanota tsy mpankatò. Fa Jesosy Kristy kosa dia nanao fampihavanana tamin’“ny rany teo amin’ny hazofijaliana” (Kolosiana 1:20). Ny finoana Azy no mitarika antsika hanana izany filaminan’ny fieritreretana izany. “Koa amin’izany, satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika, dia manana fihavanana amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika” (Romana 5:1). Noho izany isika dia afaka matoky ny fikarakarany sy ny fitiavany ary ny heriny . Iza no ho afaka hanakorontana ny saintsika, raha Ilay Andriamanitra lehibe any an-danitra no mikarakara antsika, Izy Ilay nahangona ny rivotra tao an-tànany (Ohabolana 30:4) ? Natory tam-pilaminana ny apostoly Petera tany an-tranomaizina, na dia efa nikasa hampamono azy aza i Heroda mpanjaka. Tahaka an’i Petera, isika ihany koa dia manana izany fahatoniana izany, na inona na inona toejavatra iainantsika, raha mitoky amin’Andriamanitra isika.