Asabotsy 15 Aogositra 2020

Fa tsy misy hafa, fa samy efa nanota izy rehetra, ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra ; nefa hamarinina maimaimpoana amin’ny fahasoavany izy, noho ny fanavotana izay ao amin’i Kristy Jesosy. Romana 3:22, 23-24

 

Ianao ve efa nahazo filazam-pandikan-dalàna ?

Izaho efa nahazo. Tamin’ny namily fiara aho, dia nihoatra 9 kilaometatra isan’ora tamin’ny hafainganam-pandeha voafetran’ny lalànan’ny fifamoivoizana. Nandritra ny fotoana nanoratan’ilay polisy ny fandikan-dalàna, dia hoy aho anakampo hoe raha hendry izy, dia ny mpamily tena mpanao kitoatoa na ny mpisoloky no henjehiny ! Ny zava-nisy anefa dia hoe nandika lalàna aho, ka noho izany dia tsy maintsy nangina.

Indraindray dia toy izany no fijerintsika ny fahotana : alahatra ara-tsokajy. « Misy ny mpanota lehibe, nandika ampahibemaso ny lalànan’Andriamanitra ; ary misy kosa ireo toa ahy ! Marina fa manao fahadisoana ihany aho indraindray, nefa tsy dia toa azy ireny aho e… ». Fa ahoana kosa ny fihevitr’Andriamanitra momba izany ? Tena halany indrindra ny ratsy. Ary isika, ny tsirairay amintsika tsy an-kanavaka, dia samy efa nandika ny sitrapony. Mazava ny lazain’ny Soratra masina nomena antsika androany : “Samy efa nanota izy rehetra, ka tsy manana ny voninahitra avy amin’Andriamanitra”.

Inona no azontsika hatao ? Tsotra ihany : mitoky amin’i Jesosy Kristy, Izay nisolo toerana antsika, nanefa ny sazin’ny fahadisoantsika (Isaia 53:5). Nampanantena Izy fa raha mametraka aminy ny momba antsika manontolo isika, dia hamela ny helotsika Izy ary hanome antsika aina vaovao.

Ahoana no hahatongavana amin’izany ? Mahafoy tanteraka ny eritreritra hanao zavatra, na inona izany na inona, hoe mba ho mendrika handray ny fahasoavany, ary mandohalika am-panetren-tena eo an-tongotr’i Jesosy sy mibebaka. Miaiky aminy fa mpanota sady nanao fahotana tsy hita isa. Miala amin’ny fitiavan-tena sy ny avonavona ka miteny hoe : “Mamelà ny heloko, ry Tompo Jesosy. Ataovy manjary olom-baovao aho ; ampialao avy amin’ny fahafatesana, ho amin’ny fiainana mandrakizay”. Dia hataon’i Jesosy izany.