Alahady 16 Aogositra 2020

Isaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika, Rain’ny famindrampo sady Andriamanitry ny fampiononana rehetra, Izay mampionona anay amin’ny fahorianay rehetra. 2 Korintiana 1:3, 4

Tsy mitsahatra ny fiantrany. Vaovao isa-maraina izany. Fitomaniana 3:22, 23

 

Mangora-po Jesosy

Anisan’ny mpikambana mavitrika tao amin’ny Armée du Salut i Frederick Booth-Tucker, tany India aloha, avy eo tany Amerika, ary farany tany Angletera. Maty ny vadiny voalohany, tamina valan’aretina “choléra”. Nanambady fanindroany izy ka nanan-janaka sivy ; ny telo tamin’ireo dia maty mbola kely. Indray hariva, nitoriteny momba ny fangoraham-pon’i Jesosy izy, no nanatona azy ny mpihaino iray ary nilaza taminy hoe : « Raha maty, toy ny ahy, ny vadinao, ary mitomany an-dreniny ny zanakao, dia tsy ho hainao atao ny hiteny hoe misy Andriamanitra fitiavana, malala-tsaina sy mangora-po ! »

Andro vitsivitsy taorianan’izany dia maty tamina lozam-piarandalamby ny vady faharoan’ilay mpitoriteny, namela azy ho irery niaraka tamin’ny zanany enina. Rehefa hifarana ny fandevenana dia nitsangana teo anoloan’ny tranovorona izy, nitodika tamin’ireo mpanatrika, ary nilaza hoe : « Vao tsy ela dia nisy olona iray niteny tamiko hoe raha maty ny vadiko, dia tsy ho afaka hanambara aho hoe feno fangoraham-po Jesosy Kristy. Raha eto io olona io, dia te hiteny aminy aho fa manome ahy izay rehetra ilaiko Kristy, amin’izao fotoana itenenako izao. Lehibe ny fahoriako, kanefa Izy izao no mampahery ahy. » Teo tokoa ilay olona voalaza, ary nanatona nandohalika teo akaikin’ny tranovorona, mba hamelany an’i Booth-Tucker hanambara aminy hoe iza moa Jesosy, ho an’ny olona mino.

Jesosy irery no hany afaka mangoraka ny fahoriantsika. “Koa aoka isika hanatona ny sezafiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana, ho famonjena amin’izay andro mahory” (Hebreo 4:16).