Alatsinainy 17 Aogositra 2020
Toy ny voromahery ... manidintsidina eo ambonin’ny zanany, dia toy izany no namelarany ny elany sy nandraisany azy ary nitondrany azy teo ambonin’ny elany. Deoteronomia 32:11
Ny Andriamanitra hatrizay hatrizay no fonenana, ary ny sandry mandrakizay no eto ambany. Deoteronomia 33:27
Tazana mihantona eny amina harambato avo mihoatra ny 1800 metatra, manirery any amin’ny tandavan-tendrombohitra Alpes any Autriche, ny akany itoerana voromahery roa, lahy sy vavy, rehareha sy fialam-bolin’ny mponina ao amina tanàna an-tendrombohitra avo eo akaiky eo. Nodinihiko amin’ny masolavitra ny fihetsik’ireo vorona lehibe mpihaza ireo.
Tamin’io maraina io dia nisy toa fihetsiketsehana be tao amin’ilay akany, nahatazanako tsara zana-boromahery roa. Natosik’ireto ray aman-dreniny tsikelikely izy ireo, ho eny ivelan’ny akany. Nony farany izy dia nianjera toy ny vato, ary nanakopakopaka ny elany bitika, amin’ny fomba mikorontana sy tsy mahomby mihitsy. Rehefa kelikely dia nanjary nilamina kokoa sy niha nivelatra ireo kopak’elatra : tsy nianjera intsony ireo voronkely, fa nanidina ! Tamin’izay ireo ray aman-dreniny no tonga tampoka toy ny tselatra, nampitsahatra izany lesona sidina voalohany izany, samy nisidina ho ao ambanin’ny zanany iray avy, mba hitondra azy ireo am-babena, hiverina hamonjy ny akaniny.
Dia iny aho no nieritreritra ny fomba ampianaran’Andriamanitra ny zanany, indraindray, hampiasa ny “elatry ny finoana”. Ao anaty toejavatra sarotra, raha tafalentika ny zanak’Andriamanitra, dia mianatra mitoky amin’ireo fampanantenany. Vetivety foana dia hitan’izy ireo fa eo Andriamanitra, eo ambanin’izy ireo, mamelatra ny fiarovany toy ny elatry ny voromahery.
Eny, fianarana miaina tsy hay soloina, ho an’ny kristiana, ny hoe mitoky amin’Ilay Andriamanitra tsy hita maso irery ihany. Ny tanjon’Andriamanitra ve, rehefa manala antsika tao amin’ny akanintsika mampilamina sy maha voaaro, tsy ny hanatanjaka ny fitokiantsika aminy, Izay tsy miovaova sy be fitiavana ?