Talata 18 Aogositra 2020

Mivavaha mandrakariva ao amin’ny Fanahy, amin’ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana. Efesiana 6:18

 

Tsy nahaloa-bava mihitsy aho

« Malaï dia renim-pianakaviana tanora, teratany thailandey. Nanasa azy aho ho tonga hanatrika fivoriam-bavaky ny renim-pianakaviana. Rehefa nampahafantatra azy tamina vehivavy kristiana roa aho, dia hoy izy :

— Hitanareo, mbola tsy nivavaka izany mihitsy aho. Namaly azy aho hoe :

— Tsy misy olana izany. Afaka mipetraka tsotra fotsiny ianao ary mihaino, kanefa raha te hivavaka miaraka aminay ianao, dia mora izany. Ny hoe vavaka dia resaka ifanaovana amin’i Jesosy, amina teny sy fehezanteny tsotra.

Dia iny fa nivavaka i Malaï nandritra ny fotoam-piderana, nandritra ny fotoam-pankasitrahana ary nandritra ny fotoam-pangatahana ho an’ny hafa. Rehefa tapitra ny fivoriana, dia nitsiky aho nanontany azy hoe :

— Ary ianao nilaza fa tsy mahay mivavaka ?

— Fony mbola bodista aho, hoy izy namaly, dia naniry hivavaka sy hilaza zavatra tamin’i Bouddha, saingy tsy nahaloa-bava mihitsy. Vao efatra andro izao no naha kristiana ahy, ary nandritra ny ora niarahana teo, dia tonga ho azy tamiko ny teny fiderana sy fankasitrahana ary fangatahana ho an’ny hafa. Mbola tsy niaina ny toy izany mihitsy aho teo aloha. » (araka an’i Fern Nichols)

Ny hoe mivavaka amin’i Jesosy, dia miresaka aminy toy ny iresahanao amina namana iray mipetraka eo anilanao. Rehefa mivavaka ianao, dia tsy ny hatsaran’ny fiteninao no zava-dehibe, fa ny mamela ny fonao hiteny. Ny hoe mivavaka dia miresaka amin’Andriamanitra, amina teny na an’eritreritra. Mety ho antsoantso izany, na ho tomany… Izany dia firesahanao aminy ny olana atrehinao andavanandro, nefa koa ny fifalianao. Izany ihany koa dia fisaoranao Azy.