Alarobia 19 Aogositra 2020
Koa ankehitriny, ampitadiavo an’i Jehovah Andriamanitrareo ny fonareo sy ny fanahinareo. 1 Tantara 22:19
Fa izay manatona an’Andriamanitra dia tsy maintsy mino fa misy Izy sady Mpamaly soa izay mazoto mitady Azy. Hebreo 11:6
Latsaka tsy nahy ny fanalahidiny, ary rehefa niondrika izy haka izany, dia nahatsikaritra fa tsy nihetsika intsony ny tanany. Nitebiteby fatratra izy, ka nandeha nanatona dokotera avy hatrany. Dia any amin’ny hôpitaly izy izao, eo am-pandriana ny vatany, anaovana fitsirihana lalina samihafa, tsy misy hery intsony ny fanahiny, mitsimbadika ilay fiainan’olona mavitrika naha izy azy. Tsy nahita tory nandritra ny alina maro izy, feno fihazohazoana sy tahotra : Ahoana no hanaovako ny asako ? Voa mafy ve aho ? Mbola ho sitrana ihany ve ?
Angamba ianao toa an’ity lehilahy ity, marary mafy sy manahy ny amin’ny hoavy ? Avelan’Andriamanitra hitranga ve izao fiatoana tsy nampoizina izao, mba hanananao fotoana hieritreretana sy hanaovana jery todika ?
Ao anatin’izao fotoan-tsarotra izao Andriamanitra dia te hifandray na hamerina fifandraisana aminao, ary miandry famantarana kely fotsiny avy aminao. Apetraho aminy ny fanahianao sy ny tebitebinao, satria izay hahasoa anao no tena tadiaviny. Fotoana ihany koa izao hametrahanao ireo fanontaniana tena izy : inona marina no tanjon’ny fiainanao ? Tokony hovainao ve ny lalanao ankehitriny ? Izao koa no fotoana hamakiana ilay Boky tsy manam-paharoa, dia ny Baiboly, mba hahafantaranao izay tian’Andriamanitra holazaina anao. Tia anao Izy, nomeny ny Zanany mba hamonjy anao tsy hiharan’ny fanamelohana mandrakizay sahaza anao. Nohelohina Jesosy Kristy, nisolo toerana anao. Raiso Izy ho Mpamonjinao sy Tomponao.
Ary ianao izay nanadino Azy nandritra ny fotoana vitsivitsy, miverena aminy, satria hoy Izy aminao : “Tsy hampanjombona ny tavako aminareo Aho ; fa mamindra fo Aho” (Jeremia 3:12).