Alakamisy 20 Aogositra 2020

(Hoy Jesosy tamin’ny rain’ilay zaza azom-panahy moana :)Hainao hoe ? Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino. Ary niaraka tamin’izay dia niantso ny rain-drazazalahy ka nanao hoe : Mino aho ; vonjeo aho ho afaka amin’ny tsy finoako. Marka 9:23, 24

 

Lazao amin’i Jesosy ny zavatra rehetra

« Tsaroako ilay ramatoa tanora iray izay, nanatona ahy sy nanohitra mafy ahy, nilaza tamiko fa tsy te ho voavonjy izy. Mbola tanora izy, ary te hanararaotra ny fiainana. Mandà tsy hiala amin’ireo fahafinaretany izy, ka hoe hanjary matotra sy maotina, satria tsy hanam-pifaliana intsony, araka ny eritreriny. Tsy nihevitra ny hamoy ireo fahotany mihitsy izy, na naniry kely akory ho voavonjy. Mahafantatra ny Filazantsara anefa izy, satria nobeazina tao amina Sekoly Misionera, ary nanohitra izany. Naharitra ela izy, namoaka ny fangidiana tao anatiny ; dia hoy aho taminy, nony avy eo :

— Afaka mivavaka ve isika ?

— Nahoana moa aho no hivavaka ? hoy izy namaly am-piavonavonana.

— Tsy azoko atao ny mandray andraikitra hivavaka, hisolo toerana anao ; fa izaho no hivavaka voalohany, ary avy eo ianao afaka mamerina amin’ny Tompo ny rehetra nolazainao ahy vao teo.

— Oadray ! Tsy ho vitako izany, hoy izy, somary sadaikatra.

— Vitanao izany ka, hoy aho namaly. Tsy fantatrao angaha fa Izy no Ilay Sakaizan’ny mpanota (Matio 11:19) ?

Nanohina azy izany. Niakanakana be izy, nanonona vavaka ; nefa nanomboka teo dia niasa tao anatin’ny fony ny Tompo, ary afaka andro vitsivitsy dia fantany fa voavonjy izy. »

(araka an’i W. Nee)

 

Lazao an’i Jesosy ny zavatra rehetra, lazao an’i Jesosy,

Tsy vitanao ny mitondra samirery ny enta-mavesatrao ;

Lazao an’i Jesosy ny zavatra rehetra, lazao an’i Jesosy,

Izy no manome ny tena fitsaharana.