Zoma 21 Aogositra 2020

Satria efa nohamarinina tamin’ny finoana isika, dia manana fihavanana amin’Andriamanitra, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy Tompontsika. Romana 5:1

 

Manam-piadanana ve ianao ? (1)

« Nobeazin’ny ray aman-dreniko tao amin’ny finoana jiosy aho. Ny reniko dia niresaka tamiko momba ny Mesia, Izay ho avy, indray andro any, mba hanafaka ny olona rehetra amin’ny fahoriana mianjady aminy. Saingy nanafoana tato anatiko io tsirim-panantenana io ny vono moka nataon'ny fitondrana alemana nazi sy ny zava-miafina mavesatra mifamatotra amin’izany. Taorianan’ny fianarako dia ny hira no nanjary fivavahako ; izany no nahatonga ahy ho mpihira sy mpamoron-kira ary mpiantsehatra matihanina. Tsy ela dia nalaza tao amin’ny Olympia aho, nandray anjara tamin’ny fampisehoana nataon’ireo mpihira fanta-daza indrindra… Nefa tsy nitondra fiadanam-po ho ahy izany fahombiazana izany.

« Manam-piadanana ve ianao ? » hoy aho indraindray, nanontany ireo mpanakanto malaza narahiko. Tsaroako ny valintenin’i Jacques Brel hoe : « Fantatrao tsara fa saika azo vidina vola avokoa izay rehetra tiana ; fa izany fiadanam-po resahinao izany kosa dia tsy hay tombanam-bidy, tsy mahavidy izany na dia ny volamena rehetra eran’izao tontolo izao aza ».

Tapa-kevitra ny handalina io lohahevitra io aho, ka niresaka izany tamin’ny raiko, izay nianatra momba ny fivavahana maro. Nolazaiko azy ny fikarohana nataoko momba ny ara-panahy, ary nihaino ahy tsara izy. Nilaza tamiko izy fa ao amin’ny entany dia misy Testamenta Vaovao nomena misionera jiosy iray azy. Nahagaga ahy ihany ny hoe Jiosy nefa mampiely io boky nolavin’ny fireneko io, raha ny mahazatra. Nilaza ihany koa ny raiko hoe mety hahasoa ahy angamba ny mamaky azy io. Aleo mandeha any amin’ny loharano, hoy ny noheveriny. Malala-tsaina izy, amin’ny fombany, tena misokatra amin’ny fifampiresahana, na dia nifikitra tamin’ny fomban-drazana jiosy aza. Koa narahiko ny toroheviny. »

(rahampitso ny tohiny)