Asabotsy 22 Aogositra 2020
Manoroha ny Zanaka, fandrao ho tezitra Izy, ka ho very eny an-dàlana ianareo ; fa vetivety dia hirehitra ny fahatezerany. Sambatra izay rehetra mialoka aminy. Salamo 2:12
« Tohina mafy aho namaky ireo filazantsara. Ireo tenin’i Jesosy voalohany dia efa nambabo ahy tanteraka, noho ny hafatra mifono fitiavana sy fiadanana nentiny. Volana vitsivitsy tatỳ aoriana dia nisy namana iray niady hevitra matetika tamiko momba ireo lohahevitra ireo, nanolotra ahy taratasy fanasana hanatrika famelabelaran-kevitra mitondra ny lohateny hoe : « Jesosy, ny Jiosy ary ny Mesia ». Tsy nanatrika izany aho, saingy, teo amin’ny faran’ilay fanasana dia nahalasa eritreritra ahy ny andinin-tSoratra Masina ao amin’ny Baiboly hoe : “Manoroha ny Zanaka, fandrao ho tezitra Izy… Sambatra izay rehetra mialoka aminy”. Koa nanontaniako an’ilay namako ny heviny momba io fehezantenin’ny Baiboly io, indrindra fa ny teny hoe “Zanaka”. Nilaza tamiko izy hoe tsy dia mahafantatra loatra ny momba izany ! Ary nampiany avy hatrany hoe ny mompera-ny dia nilaza mandrakariva taminy fa Jesosy no Ilay Zanak’Andriamanitra. Namaly azy aho fa aminay Jiosy dia tokana Andriamanitra, ka tsy afaka hanana zanaka.
Nefa nahalasa eritreritra ahy ilay fanontaniana. Tsy nitsahatra nieritreritra io andinin-tSoratra Masina mahavery hevitra io aho. Nony tafaverina tany an-trano aho dia nanokatra ny Baiboly dikanteny frantsay nataon’ny raby Zadoc Kahn (izay tsy misy afa-tsy ny Testamenta Taloha), ka namerina namaky ny Salamo 2. Taitra aho nahita indray ilay andinin-tSoratra Masina, tamina dikanteny zara raha nisy fahasamihafana. Teo ambany indrindra tamin’ilay taratasy fanasana hanatrika ny famelabelaran-kevitra dia nisy tolotra hahazoana Testamenta Vaovao maimaimpoana. Ny manoratra any amin’ilay adiresy voatondro no hany nilaina natao ; ka dia nataoko. »
(rahampitso ny tohiny)