Alahady 23 Aogositra 2020

Izy no nahita an’i Simona rahalahiny aloha, dia hoy izy taminy : Efa nahita ny Mesia izahay. Jaona 1:41

(Hoy Natanaela tamin’i Jesosy :)Raby ô, Ianao no Zanak’Andriamanitra ; Ianao no Mpanjakan’ny Israely. Jaona 1:49

 

Jesosy ve no Ilay Mesia ? (3)

« Enim-bolana taorianan’izany dia nisy lehilahy iray efa zokiolona, tonga tao an-tranoko : « Andriamatoa Gil Bernard ve ? hoy izy. Tonga aho hitondra ny Testamenta Vaovao nangatahinao… » Nasaiko nandroso izy, ary nisy resaka sady nitondra zavatra maro no nahafinaritra, nifanaovanay. Taorianan’izany dia nanontany ahy izy raha mba mahazo mamaky tsongandahatsoratra iray ao amin’ilay boky nentiny ho valin’ny taratasiko. Novakiny miadana ny fanoharana momba ilay zanaka adala (Lioka 15:11-32). Tsy ilàna fanazavana izany fanoharana izany, hoy aho anakampo, fa azoko… Tsy niolakolaka aho nanontany ilay mpamangy ahy hoe : « Jesosy ve no Ilay Mesian’ny Israely ? » Nangina kely aloha izy, dia namaly hoe : « Eny, Jesosy tokoa no Ilay Mesian’ny Israely sy Mpamonjy izao tontolo izao ».

Nandona ahy mafy izany. Tankina tsy nahaloa-bava aho. Zara aho raha nanana hery nilazana tamin’ilay mpamangy ahy, hoe tokony hiomana aho satria hihira ny harivan’io. Talohan’ny nandaozany ahy dia nangatahiny aho hampanantena azy fa hamaky ny Testamenta Vaovao. Toa hafahafa tamiko ilay fangatahana, kanefa nekeko. Dia notanterahiko ny teniko. Rehefa namerina namaky ireo filazantsara aho dia nahatsapa tena ho nanara-dia an’i Jesosy, ary niova noho izany ny fiainako. Telo taona tatỳ aoriana dia nilaozako ny trano fampisehoana hira fialamboly, fa tsy ny hira tsy akory. Nisafidy ny hihira ny finoako an’i Jesosy aho. Sarotra tamiko ny nandray izany fanapahan-kevitra handao ny asako izany, kanefa tsy nanenenako mihitsy. Nandray mihoatra noho izay nantenaiko aho, fiainana tena feno sy sambatra, na dia teo aza ireo fotoana nampangirifiry. Mahatoky Andriamanitra ka nanohana ahy, na tao anatin’ny fifaliana na tao anatin’ny alahelo. Manantena ny hidera Azy ho mandrakizay aho. »

Gil Bernard