Alatsinainy 24 Aogositra 2020
Ary tahaka ny nanendrena ny olona ny ho faty indray mandeha... Hebreo 9:27
Kristy Jesosy, Mpamonjy antsika, ... nahafoana ny herin’ny fahafatesana, ka ny filazantsara no nampisehoany mazava ny fiainana sy ny tsy fahalovana mandrakizay. 2 Timoty 1:10
« Salama aho, manankarena, tsara tarehy… ary aorianan’izany ?
— Manana volamena aho, manana volafotsy… ary aorianan’izany ?
— Na dia ho izaho irery aza no manam-pahaizana tapitra ohatra sy feno fahalalana, dia inona no hitranga aorianan’izany ?
— Na dia hanaram-po amin’ny zavatr’izao tontolo izao mandritra ny arivo taona aza aho, dia inona no hiseho aorianan’izany ? Tampotampoka dia tonga ny fahafatesana, ary manaisotra ny zavatra rehetra amin’ny olona. Inona no ho hitantsika ao ambadiky ny vavahadiny ? ... Andriamanitra irery no mendrika hotompoina… »
Ny mpanjakavavy Marie-Christine Ferdinande de Bourbon-Siciles (1806-1878) no nanoratra ireo eritreritra ireo, hita taorianan’ny nahafatesany, tao anatin’ny boky niraketany ny momba ny toe-panahy araka an’Andriamanitra. Takatr’io mpanjakavavy io ny tsiambaratelon’ny tena fahasambarana, dia ny finoana Ilay Andriamanitra fitiavana. Fantany fa tsy mitondra fahasambarana ny fahombiazana, ny harena na ny fahasalamana ; fantany fa afaka manampy hanadinoana vetivety ireo adin-tsaina ny fahafinaretana omen’izao tontolo izao… ary aorianan’izany ?
Efa hatry ny ela ny Baiboly no nanambara hoe : tsy misy na inona na inona eto an-tany hahay hanome fahafaham-po izay mitady fahasambarana eto (Mpitoriteny 6). Ary i Paoly, ilay apostoly, dia efa niaina ny hoe ny fahalalana an’i Kristy no zavatra tena tsara, ary hany zava-dehibe aza (Filipiana 3:8). Ho sambatra isika raha mahafantatra fa tian’Andriamanitra sy navelany heloka, noho ny asa nataon’i Jesosy, “Izay natolotra noho ny fahadisoantsika ka natsangana indray ho fanamarinana antsika” (Romana 4:25). Jesosy no manafaka amin’ny tahotry ny fahafatesana ireo rehetra miaiky fa meloka, ka mandray Azy ho Mpamonjy sy Tompo. Ary Izy no manome Azy ireo ny fiainana mandrakizay (Jaona 17:2). “Tsy misy famonjena amin’ny hafa” (Asan’ny Apostoly 4:12).