Talata 25 Aogositra 2020

Aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin’ny fisaorana no hoentinareo manambara ny fangatahanareo amin’Andriamanitra, amin’ny zavatra rehetra. Filipiana 4:6

Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo, ary ny làlanareo kosa tsy mba làlako, hoy Jehovah. Fa tahaka ny haavon’ny lanitra noho ny tany no haavon’ny làlako noho ny làlanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo. Isaia 55:8-9

 

Ny olana, fa tsy ny vahaolana

Nandeha teny ambonin’ny farihy ireto mpiala sasatra, nitaingina ny sambolainy. Noho ny tsio-drivotra malefaka nitsoka, dia nisosa moramora nankeny afovoan’ny rano ilay sambolay. Saingy rehefa tonga teny afovoan’ilay farihy midadasika izy ireo, dia nitsahatra ny rivotra. Nigaingaina ny masoandro, ary nalama toy ny fitaratra ny tampon’ny rano. Nandeha ny fotoana, ka nangataka tamin’Andriamanitra izy ireo ny mba hisiana rivotra mitsoka. Nefa tsy nihetsika ihany ny tampon’ny ranon’ilay farihy, tsy nisy onja na kely akory aza. Niova ho tebiteby ny fanahiana. Tsy mahare ve Andriamanitra ?

Tampoka teo dia nahatazana teboka kely maintimainty manatona izy ireo. Tsy ela dia fantany fa hay ny sambon’ilay mpanjono mampiantrano azy ireo io, tonga hamonjy azy…

Taorianan’izay dia nitantara ny iray tamin’ireo mpiala sasatra, hoe nampieritreritra azy iny trangan-javatra kely iny. Nangataka tamin’Andriamanitra izy ireo mba hiverina hahery indray ny rivotra. Raha ny marina, dia tsy izany no vahaolana, tamin’Andriamanitra. Ny ho tafody soa aman-tsara tany an-trano no nilain’izy ireo. Anisan’ny vahaolana ny rivotra. Vahaolana hafa ny an’Andriamanitra. Tsy ny tonom-bavak’izy ireo no notanterahiny, nefa namaly azy ireo tamin’ny fombany manokana Izy.

Rehefa milaza olana iray amin’Andriamanitra isika, dia aoka tsy hamaritra aminy ny “vahaolana”. Lehibe noho isika Andriamanitra. Eo an-tanany ny enti-manana rehetra, ka hainy atao ny mamaly antsika amin’ny fomba maro samihafa tsy eritreretintsika akory. Mety tsy ho ny “vahaolana” heverintsika no tsara indrindra.

Aoka àry isika hilaza aminy tsotra fotsiny ny olana mahazo antsika, ary hatoky Azy. Hamaly antsika Izy, saingy mety tsy ho amin’ny fomba nandrasantsika. Fa ho feno fahendrena mandrakariva ny famaliany, ary hifanaraka amin’ny toejavatra misy.