Alarobia 26 Aogositra 2020
Izy (Jesosy) ... niteny mafy ny rivotra sady nilaza tamin’ny ranomasina hoe : Mangìna, mitsahara. Ary dia nitsahatra ny rivotra, ka tony tsara ny andro. Ary hoy Izy taminy : Nahoana no saro-tahotra ianareo ? Tsy mbola manam-pinoana va ianareo ? Ary natahotra indrindra izy ireo ka niresaka hoe : Iza moa Ity, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy ? Marka 4:39-41
Toy ireo mpianatra tao anaty sambokely nandritra ny tafiodrivotra, ny kristiana dia mamakivaky ny onjan-dranomasin’izao tontolo izao.
Raha ao anatin’ny sambokelintsika Jesosy, ary na dia toa matory aza Izy, dia tsy ho rendrika mihitsy isika, satria mifamatotra amin’izay mahazo Azy ny hahazo antsika. Marihina fa teo am-bodin’ny sambokely Izy, any amin’ny misy ny familiana. Io antsipiriany io dia mampahatsiahy antsika fa na eo aza ny seho ivelany, dia Izy no mitondra ny sambokely. Very hevitra ireo mpianatra, tsy nahatakatra hoe nahoana Izy no natory tamina fotoana toy izao, ka namoha Azy ary nanao hoe : Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao ?
Toy izany koa ankehitriny : rehefa mandalo fotoan-tsarotra isika, dia manana fironana hihevitra fa matory ny Tompo ary tsy miraharaha antsika. Fahadisoana be izany ! Tsy Izy ve no nibaiko hoe : “Andeha isika hita ho eny ampita” ? Mbola tsy fantatry ny mpianatra hoe iza moa io Mpampianatra azy ireo io. Raha nino ny teniny izy ireo, dia ho nahazo antoka fa ho tody, na teo aza ny tafiotra.
Nampanantena antsika Izy hoe : “Indro, Izaho momba anareo mandrakariva” (Matio 28:20). Raha ao anatin’ny sambokelin’ny fiainantsika Jesosy, dia tsy misy na inona na inona hatahorantsika, na toa matory aza Izy. Na mamely toy inona aza ny onjan-drano sy ny rivotra, dia ho voaaro lalandava isika raha miaraka amin’i Jesosy. Eny, aoka isika hatoky Azy ; Izy no mifehy ny toejavatra rehetra, na inona na inona mitranga.