Alakamisy 27 Aogositra 2020

Hanody anareo ny fahotanareo. Nomery 32:23

Fa fantatro fa be ny helokareo, ary fatratra ny fahotanareo : mampahory ny marina sy mandray kolikoly ianareo ary mamadika ny malahelo eo am-bavahady. Amosa 5:12

 

Fanararaotana fananam-bahoaka

Fandre matetika loatra ao amin’ny haino aman-jery ny hoe misy olona ambony enjehina noho ny « fanararaotana fananam-bahoaka ». Inona moa no nataony ? Rehefa ao anatin’ny fisafotofoton’ny fandraharahana sy fahombiazana ireny tompon’andraikitra ireny, dia mampifangaro ny tena fananany amin’ny an’ny orinasa tantanany na ny an’ny Fanjakana.

Noheverina ho olo-marina izy ireny ; ary angamba mihevitra ny tenany ho marina mihitsy aza. Sady rehefa zohina, misy olona hafa manao toy izany koa anie e ! Saingy avy ny andro, miditra an-tsehatra ny fitsarana, ka miova ny zavatra rehetra. Eo am-piandohana dia miaro tena izy ireo, milaza ho tsy manan-tsiny, ary miampanga ny mpitsara mihitsy aza. Tsy ela anefa dia tsy maintsy mampidina feo izy ireo, ary mamela ny hisavana ny biraony. Dia mivoaka ny didim-pitsarana, tonga ny fahafaham-baraka ! Vita hatreo ny saron-tava mahafinaritra ; fantatry ny olona rehetra izao ny marina. Notsiriritina ireny olona ireny omaly, ankehitriny kosa atao tsinontsinona.

Toy izany koa, eo anatrehan’ny fitsaran’Andriamanitra dia ho hita miharihary avokoa ny zavatra rehetra nataon’ny olona tsirairay. Matetika loatra ankehitriny no mianina amina fiseho ivelany, ary manandrana manafina ny marina. Tsy ho ela anefa dia hahariharin’ny fitsaran’Andriamanitra ny zavatra rehetra. Angamba tsy nanao zavatra mahatafintohina eo anatrehan’ny olona isika, nefa hiatrika Ilay Andriamanitra masina, Ilay mandinika sy mitsara ny ataontsika, mbamin’ireo eritreritsika miafina indrindra ! Inona no hisarangotantsika, manoloana ny fitsarana ? Tsy misy ! Fa raha ankehitriny kosa isika no miaiky fa meloka, raha mialoka eo ambanin’ny hazofijalian’i Kristy, dia voavela ny fahotantsika. Efa nisolo toerana antsika mantsy Jesosy, nanonitra izany, ka tsy hiharan’ny fitsarana isika.