Zoma 28 Aogositra 2020
Andriamanitra no aro sy hery ho antsika ; Mpamonjy mora azo indrindra amin’ny fahoriana Izy. Koa izany no tsy hatahorantsika, na dia ho levona aza ny tany, na mifindra ho ao anatin’ny ranomasina aza ny tendrombohitra. Salamo 46:1-2
Tendrombohitra “mifindra ho ao anatin’ny ranomasina” : azo an-tsaina ny ahiahy sy horohoro hateraka fikorontanana toy izany eo amin’ny voary ! Ary mety hanana fihetsehampo mitovy amin’izany isika, mahita ireo fiovana haingana dia haingana mitranga amin’izao vanimpotoana iainantsika izao. Olona maro no mahatsapa tena ho tsy maharaka, na voatsindry mihitsy aza, noho ny fivoarana mihazakazaka eo amin’ny tontolo iainantsika, na eo amin’ny lafiny ara-teknika izany, na eo amin’ny ara-pitondrantena.
Tsy misy sehatra tsy iharan’izany fivoarana izany. Manampahaizana ara-tsiansa maro no manahy ny hitomboan’ny hafanana amin’ity planetantsika ity, ao anatin’ny taona vitsivitsy, ary tena hamoa-doza izany : hiakatra mantsy ny haavon’ny ranomasina, ka firenena maro no mety ho rakotra manontolo. Ny mosary sy ny ady dia miteraka fifindra-monina mivelatra be, ka miha tsy voafehy. Mihozongozona hatrany amin’ny fotony ny toekarena sy ny toe-bola eran-tany. Ary inona no hambara momba ny fivoarana haingana dia haingana eo amin’ny Internet sy ny fampiasana azy, fitaovana mahomby fatratra sady marefo, ka ahina hampidi-doza, noho izany ?
Mety ho sahiran-tsaina sy hahatsapa tena ho marefo indrindra isika, manoloana loza manambana toy izany. Fa Andriamanitra kosa dia tsy miova, ao aminy dia tsy mba misy “fiovaovana na aloka avy amin’ny fihodinana” (Jakoba 1:17). Ambonin’izany, tia ny olona rehetra Izy ka manolotra fialofana mandrakizay ho azy ireo. Ny olony tsirairay, ireo izay matoky Azy, dia omeny toky hoe : “Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra, ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindrampoko, ary tsy hitsoaka ny faneken’ny fihavanako, hoy Jehovah, Mpamindra fo aminao” (Isaia 54:10).