Asabotsy 29 Aogositra 2020

Koa mibebaha ianareo, ka miverena hamonoana ny fahotanareo. Asan’ny Apostoly 3:19

(Hoy Jesosy :) Raha tsy miova ianareo ka ho tonga tahaka ny zazakely, dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra mihitsy ianareo. Matio 18:3

 

Ireo tenin’ny Filazantsara : Miverena

“Miverena”. Ny dika fototra fonosin’io matoanteny io dia mirakitra ny hevitra hoe mihodina tampoka, miverina ilalana. “Fa ireny ihany no milaza ... ny nialanareo tamin’ny sampy hiverenana amin’Andriamanitra”, hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly tamin’ny kristiana tany Tesalonika (1 Tesaloniana 1:9). Samy tokony hanao izany fihetsika mankamin’Andriamanitraizany avokoa isika rehetra, na dia tsy nanompo sampy daholo aza. Satria “samy efa nivily ho amin’ny làlantsika avy isika rehetra” (Isaia 53:6). Izany tenin’ny Baiboly izany dia mamaritra tsara ny toerana misy antsika. Araka ny toetrantsika ara-nofo, ny mpanondro lalana ny fisainantsika sy ny fiainantsika dia mampanalavitra antsika amin’Andriamanitra ; koa ankehitriny izy io dia tsy maintsy atodika amin’Andriamanitra sy amin’i Jesosy, Mpamonjintsika sy môdelintsika.

Raha nampisaintsaina ireo mpiara-belona taminy ny apostoly Petera, dia nihevitra izy ireo fa tao anatin’ny “fivavahana marina”. Nefa nantsoin’i Petera izy ireo mba hiverina, mba hitodika amin’Andriamanitra. Natao ho antsika ihany koa ny antsony, na dia mihevitra ny tenantsika ho manaraka ny fivavahana marina aza isika ! Ny tena ilaina dia fifandraisana manokana amin’Andriamanitra. Izany dia tsy maintsy hanosika antsika tsy hijery ny tenantsika fa hitodika aminy.

Ny “mibebaka” sy “miova fo” dia vokatry ny asam-pitiavana ataon’Andriamanitra ao amin’ny fisainantsika sy ny fiainantsika. Miaraka hatrany izy roa ireo : ny mibebaka dia manindry ny tsy maintsy hanovàna ny fisainantsika ; ny miova fo kosa dia vokatr’izany mivantana eo amin’ny fomba fiainantsika : manana tanjona vaovao isika.

Mbola manoratra ihany koa i Paoly hoe : “Nambarako … mba hibebaka sy hiverina amin’Andriamanitra … ka hanao ny asa mendrika ny fibebahana” (Asan’ny Apostoly 26:20).