Alahady 30 Aogositra 2020
... nampitenenany (nampitenanan’Andriamanitra) tamintsika ny Zanany ... ; Izy (Jesosy)no ... famirapiratan’ny voninahiny sy endriky ny tenany indrindra ary mihazona ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny teniny. Hebreo 1:2, 3
(Hoy Jesosy :) Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray. Jaona 14:9
Ny olombelona dia mora mamorona izay Andriamanitra mety aminy, mifanaraka amin’ny hetahetam-pony, malala-tsaina, ary mandefitra amin’ny olona rehetra. Tsy Ilay Andriamanitry ny Baiboly izany. Andriamanitra dia tsy “Ilay Andriamanitra morainy”, araka ny eritreritry ny olona milaza Azy ho izany ! Marina fa “Andriamanitra dia fitiavana” (1 Jaona 4:8). Ary masina ihany koa Izy, ka tsy mahazaka ny fahotana (Habakoka 1:13). Ambaran’Andriamanitra amin’ny Teniny fa ny ota no nampihataka ny olona tsy hahalala akaiky Ilay Mpamorona azy, Izay voatery nandroaka an’i Adama hiala tao amin’ny saha Edena (Genesisy 3:9, 22-24). Nanomboka tamin’izay dia tsy afaka hahita maso an’Andriamanitra intsony ny olona ka ho velona (Eksodosy 33:20).
Na izany aza anefa, Andriamanitra dia tsy niala na oviana na oviana tamin’ny fikasany hampahafantatra ny tenany amin’ny olona. Naneho ny tenany tamintsika Izy, tamin’ny nanirahany ny Zanany Lahitokana, Jesosy Kristy, Izay naka vatan’olombelona, ary Izy no Ilay “endrik’Andriamanitra tsy hita [maso]” (Kolosiana 1:15). Jesosy aza dia nampahafantatra antsika an’Andriamanitra tamin’ny anarana hoe Ray, anarana mihoatra noho ny anarana rehetra, ho an’ny mpino : “Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana ; fa ny Zanaka Lahitokana, Izay ao an-tratran’ny Ray, Izy no nanambara Azy” (Jaona 1:18). Nefa ny ota, izay sakana tsy hain’ny olombelona ihoarana, dia tsy maintsy faizina. Noho izany Jesosy, tamin’ny nahafatesany, dia nampiharihary ny fidadasiky ny fitiavan’Andriamanitra : nisolo toerana antsika Izy, nizaka ny famaizana sahaza antsika. Tamin’izany dia novohain’i Jesosy ny lalam-pamonjena, ny lalana hanatonana an’Andriamanitra, ho an’ny olona rehetra mandray Azy ho Mpamonjiny.