Alatsinainy 31 Aogositra 2020
Tandremo ny fonao, mihoatra noho izay rehetra tokony hotandremana ; fa avy ao aminy no iavian’ny aina. Ohabolana 4:23
Mandosira ny fijangajangana. Izay fahotana rehetra ataon’ny olona dia eny ivelan’ny tena ihany ; fa ny mpijangajanga kosa dia manota mihatra amin’ny tenany. 1 Korintiana 6:18
Ity tontolo misy antsika ity dia sehatra midadasika ivelaran’ny fakam-panahy sy ny fahavetavetana. Tsy ahoan’ny fiarahamonina intsony ny zava-pady sy voarara fahiny ; fa indrindra koa, tsy raharahainy ireo fampitandremana ataon’ny Tenin’Andriamanitra. Ny kristiana maniry hitoetra ho madio mandra-pahatonga ny fotoana hanambadiany dia manjary heverina kokoa hatrany ho olona hafahafa. Ahoana àry no hahafahana mijanona ho madio ao anatina tontolo feno fahavetavetana, ka hanao izay hahafaly ny Tompontsika, manoloana ny fakam-panahy rehetra ? Indreto misy fampieritreretana vitsivitsy, soritan’ny Tenin’Andriamanitra :
— Mitahiry ny fisainana ho madio, satria ireo no loharanon’ny zavatra rehetra atao. Fantatsika fa avy ao anaty, avy ao am-pontsika, no “ivoahan’ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana…” (Marka 7:21). Aoka àry isika hikatsaka izay marina, izay mahitsy, izay madio… (Filipiana 4:8).
— Matoky an’Andriamanitra fa tsy matoky ny tena, ary mahatsiaro fa tsy manan-kery. “Matokia an’i Jehovah amin’ny fonao rehetra, fa aza miankina amin’ny fahalalanao” (Ohabolana 3:5).
— Mivavaka tsy tapaka momba io lohahevitra io. “Miareta tory ianareo, ka mivavaha, mba tsy hidiranareo amin’ny fakam-panahy ; mety ihany ny fanahy, fa ny nofo no tsy manan-kery” (Marka 14:38).
— Mitandrina amin’ireo toerana sy ireo olona ifaneraserana. “Aza mety hofitahina ianareo ; ny fikambanana amin’ny ratsy manimba ny fitondrantena tsara” (1 Korintiana 15:33).
— Ary farany, ndao hotanisaina ity vavaky ny apostoly Paoly ity : “Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hahamasina anareo samy ho tanteraka, ka aoka harovana avokoa ny fanahinareo sy ny ainareo ary ny tenanareo, ho tanteraka ka tsy hanan-tsiny amin’ny fiavian’i Jesosy Kristy Tompontsika” (1 Tesaloniana 5:23).