Talata 1 Septambra 2020
Fa ny anton’ny didy dia fitiavana avy amin’ny fo madio sy ny fieritreretana tsara ary ny finoana tsy mihatsaravelatsihy. 1 Timoty 1:5
Mikely aina koa aho mba hanana fieritreretana tsy manameloka ahy na amin’Andriamanitra na amin’olombelona mandrakariva. Asan’ny Apostoly 24:16
“Ny fahalalana tsy ombam-pieritreretana dia tsy inona fa faharavan’ny fanahy fotsiny ihany.” Izany tenin’i Rabelais izany dia manome ny lanja sahaza ny fieritreretana. Ny fieritreretana dia fahafaha-manao sy fahaizana nomen’Andriamanitra ny olona, rehefa tsy nankatò ny Mpahary azy izy tao amin’ny saha Edena (Genesisy 3:7-8). Ny hoe fieritreretana dia tomban-tsaina ananan’ny olona rehetra, hahalalany ny tsara sy ny ratsy. Ohatra, mahatsiaro ho menamenatra isika rehefa manao zavatra fantatsika fa ratsy, ary ho afa-po kosa rehefa manao ny tsara. Tsy azo antoka tanteraka anefa ny fieritreretana ; mety ho mora voakasika izy na tsia, arakaraka ny olona. Dia manjary mihevitra ny olona sasany fa arakaraka ny olona ihany koa ny atao hoe tsara na ratsy. Fa Andriamanitra kosa dia mampianatra antsika momba io tsara sy ratsy io.
Ny Baiboly, izay Teniny, no tena fanovozan-kevitra hahalalana ny marina, ary izy no manondro ny lalana mankamin’ny tsara, eo anivon’ny ratsy manodidina antsika. Ny tsara dia izay mifanaraka amin’ny fihevitr’Andriamanitra ; ary izay rehetra manohitra an’Andriamanitra sy ny fahamarinan’ny Teniny dia ratsy avokoa. Ny Baiboly dia maneho Andriamanitra masina sy marina ary mazava (1 Jaona 1:5), ary koa fitiavana (1 Jaona 4:16). Nirahiny ho etỳ amintsika Jesosy Kristy Zanany, Ilay “lalana sy fahamarinana ary fiainana” (Jaona 14:6). Raha mino Azy sy ny asa nataony teo amin’ny hazofijaliana isika, dia mahazo toetra vaovao, toetra avy amin’Andriamanitra. Koa ny kristiana izany dia tokony hamela ny Tenin’Andriamanitra hiasa amin’ny fieritreretany, mba hitsarany izay ao anatiny ao ka tsy mifanaraka amin’ny fahamarinan’Andriamanitra sy ny fahamasinany.