Alarobia 2 Septambra 2020
Mitadiava an’i Jehovah sy ny heriny, katsaho mandrakariva ny tavany. Mahatsiarova ny asa mahagaga izay nataony, dia ny fahagagany sy ny fitsaran’ny vavany... Jehovah, Izy no Andriamanitsika. 1 Tantara 16:11-12, 14
« Rehefa namaky ny Baiboly aho, dia nahafantatra hoe iza moa Andriamanitra. Novakiko izay nataony mbamin’ny teny nolazainy tamin’ny olona. Takatro avy tamin’ny Baiboly fa velona mandrakizay Izy, tsy miova, mahafantatra ny zavatra rehetra, mahalala ny zavatra rehetra, mahita ny zavatra rehetra, mitadidy ny zavatra rehetra. Tanterahiny izay nampanantenainy ; marina Izy, masina, mahery, hendry ; tsara sy mahari-po amin’ny olona Izy.
Fa nisy koa zavatra fantatro ka nampangorohoro ahy : tsy nankatò an’Andriamanitra aho, fahavalony aho na dia tsy nahatsapa izany aza. Te hitondra ny fiainako araka izay nitiavako azy aho, ary tsy nanontany ny hevitr’Ilay Mpahary ahy. Tena meloka be aho teo anatrehany, voaheloka ho faty mandrakizay.
Nefa fantatro koa fa Andriamanitra dia manolotra famelan-keloka ho ahy, manome ahy ny fiadanany. Tsy nisy na inona na inona tokony nataoko na naloako. Andriamanitra no efa niandraikitra ny zavatra rehetra. Izy no nanefa ny sarany lafo indrindra, tamin’ny nanomezany an’i Jesosy Kristy Zanany. Tonga tetỳ an-tany Jesosy mba hiresaka amintsika momba Ilay Andriamanitra fitiavana. Avy eo Izy dia maty mba tsy ho very izay mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay.
Satria hitako fa tsy nahomby teo anatrehan’Andriamanitra ny fiainako, dia niaiky taminy aho fa ratsy ny nataoko, izany hoe nanota aho. Nangatahiko Izy hamindra fo amiko, amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, maty ho ahy. Ary satria Izy tsy mba mandà mihitsy izay manatona Azy am-pahitsiana, dia navelany ny heloko rehetra.
Ankehitriny dia fantatro fa zanak’Andriamanitra aho. Tsy mampino izany, nefa dia marina ! Nanjary fiainam-baovao ny fiainako, ao amin’ny fifalian’ny Tompo ! Ary raha hamely ahy ny fahafatesana, dia hiditra any am-paradisa androtrio ihany aho, eo amin’ny fanatrehan’Andriamanitra.
Ianao ve tsy mba te hanana fahazoana antoka toy izany ? »
Benjamin