Alakamisy 3 Septambra 2020
Manadino izay zavatra ao aoriana, ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha ; eny, miezaka hanatratra ny marika aho, hahazoako ny lokan’ny fiantsoan’Andriamanitra any ambony ao amin’i Kristy Jesosy. Filipiana 3:13, 14
Nahazo medaly olympika maro tamin’ny hazakazaka 100 m, 200 m, 4x100 m… i Usain Bolt sy Yohan Blake, mpihazakazaka jamaikana. Na dia mpifaninana aza izy ireo eny an-kianja, dia nankasitraka an’i Blake toy izao i Bolt : « Nandritra ireo taona nifandimby, dia nahatonga ahy ho mpanao fanatanjahantena tsara kokoa i Yohan. Tena nanosika ahy izy, ary nihazona ahy ho mailo hatrany ». Nifampirisika ireo mpihazakazaka roa lahy ireo, mba hikatsaka ny tsara indrindra teny an-kianja.
Ao amin’ny Baiboly, ny apostoly Paoly dia mampiasa ny kisarisarin’ny fihazakazahana mba hiresahany ny fiainana kristiana. Taominy hihazakazaka ny kristiana rehetra, mba hahazo ny loka. Izany fihazakazahana izany dia mitaky fiomanana, fifehezan-tena, fitozoana… ary mitaky ny tsy hanadinoana na oviana na oviana ny tanjona, dia Jesosy Kristy.
Eo amin’ny fiainana kristiana dia afaka manao toy ireo mpihazakazaka jamaikana ireo isika, mifampirisika mba hikatsaka ny tsara indrindra. Tsy hoe mitady ny ho voalohany tsy akory, ny hohindrahindraina indrindra, fa ny ho mpanompon’ny rehetra, manaraka ny dian’i Kristy amin’ny fitiavana sy ny fahamasinana. Aza mianina amin’ny antonontonony !
Ry kristiana namana, manana tombontsoa sy andraikitra isika, mba hifampahery ao amin’ny finoantsika. Iray amin’ireo tanjon’ny fiainana iombonana eo anivon’ny Fiangonana izany, dia ny hifanampiantsika amin’ny fandrosoana manatona an’i Jesosy. Andriamanitra ihany koa dia manalehibe antsika amin’ny alalan’ny hafa, raha toa isika mianatra mihaino sy mijery an’i Jesosy iainan’ny rahalahy na anabavintsika. Hoy i Paoly tamin’ireo mpino tany Filipy : “Ry rahalahy, aoka samy hanahaka ahy ianareo, ka diniho izay mandeha tahaka ny anananareo anay ho marika” (Filipiana 3:17).