Zoma 4 Septambra 2020
Fa toy izao no nitiavan’Andriamanitra izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Lahitokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. Jaona 3:16
Nitsidika tanàna kely amoron-dranomasina tany Hollande ity kristiana iray, ary niresaka maharitra momba ny fitiavan’Andriamanitra, nanoloana olona tena tsotra. Sarotra ireo teny nampiasainy, hany ka sahirana ny mpihaino niezaka hahatakatra izay lazainy. Nony tapitra ny teniny, dia nitsangana ny kristiana iray efa zokiolona, izay mpanarato fahiny. Niresaka matetika momba ny fitiavan’Andriamanitra tamin’ny manodidina azy io lehilahy io. Nomena ho fanajana azy ny anarana hoe “Jaona ilay malala”, mampahatsiahy ny apostoly Jaona, nilaza ny tenany ho “ilay mpianatra tian’i Jesosy” (Jaona 21:20).
Niteny tsotra fotsiny io mpanarato efa antitra io hoe : “Raha feno ranomainty avokoa ny ranomasina rehetra manerana izao tontolo izao, raha taratasy ny fitambaran’ny kontinanta, ary tahom-penina ny singam-bozaka rehetra, dia tsy ho ampy akory izany rehetra izany, hanoratana ny fitiavan’Andriamanitra”.
Nisy akony lalina tamina tanora iray nihaino teo ireo teny vitsivitsy ireo. Nony nanjary evanjelista izy, dia nampidiriny tao amin’ny hafatra nentiny tamina fivoriana iray, am-polon-taona tatỳ aoriana, ny kisarisary nataon’i “Jaona ilay malala”, mba hanazavany ny Teny ao amin’ny Jaona 3:16. Nampiova fo mpihira opera iray izany. Nanohina azy ny fitiavan’Andriamanitra, ka namorona hira iray izy, namerina ny toriteny fohy nataon’ilay zokiolona mpanarato…
Zavatra mahagaga sy lalina no ambaran’ny Baiboly antsika. Nefa teny tsotra sy mora takarina no anambarany izany. Satria tian’Andriamanitra ho voambara amin’ny olona rehetra tsy an-kanavaka ny fitiavany. “Andriamanitra dia fitiavana” (1 Jaona 4:8, 16), teny tena tsotra izany, kanefa misy akony tsy takatry ny saintsika.