Asabotsy 5 Septambra 2020

(Hoy Jesosy :) Mibebaha ianareo ka minoa ny filazantsara. Marka 1:15

 

Ireo tenin’ny Filazantsara : Minoa ny Filazantsara

Vao nanomboka ny fanompoany ampahibemaso Jesosy, dia nitaona ny mpihaino azy (ary isika ihany koa) mba hibebaka sy hino ny Filazantsara. Ny fibebahana, ilay fiovana anaty, dia mifamatotra akaiky amin’ny finoana ny Filazantsara.

Inona moa no dikan’ny hoe “mino ny Filazantsara ?” Ny mandray tsotra fotsiny ny vaovao mahafaly nentin’i Jesosy ho antsika. Ny finoana izany vaovao mahafaly izany dia midika fa matoky Azy isika ; mitovy amin’ny hoe manaiky ny tolotra omen’olona iray ianao, ka amin’izany dia maneho aminy ny fatokianao azy.

Misy sakana eo amin’izany lalan’ny finoana izany. Sakana mety ho avy etỳ ivelany : ny fisarihan’ny harena, ny fikatsahana fahefana, na koa ny fanenjehana ny fivavahana any amin’ny toerana sasany eto amin’izao tontolo izao. Sakana mety ho avy ao anaty koa, toy ny tahotra ny ho voailika, ny fisalasalana. Tsy tokony hifantohana ireny sakana rehetra ireny, fa Andriamanitra no tokony hiantorahana, mba handrosoana. Ny hoe finoana dia fatokiana tanteraka an’Andriamanitra, Izay hany afaka mamonjy antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana.

Ny hoe mino ny Filazantsara dia ny miaina izany koa, miaina ireo tenin’i Jesosy, satria eo amin’ny andavanandrom-piainantsika no miseho ny fatokiana an’Andriamanitra ary ahitana hoe tena marina ny tenin’i Jesosy, teny mahery ka manome ho antsika fanantenana, fifaliana, hery ao anatin’ny fitsapana. Farany, ny miaina ny Filazantsara dia mahatonga antsika hitombo : mitia ao anatin’ny fahafahana, manompo am-panetren-tena ao anatin’ilay fifaliana lalina satria eo i Kristy, miaina izany fanoloran-tena izany ao anatin’ny fiadanan’ny fahasoavany sy ny herin’ny fahazavany.