Alahady 6 Septambra 2020

Ary Jesosy Tompo, rehefa niteny taminy, dia nampiakarina ho any an-danitra ka nipetraka eo ankavanan’Andriamanitra. Marka 16:19

Fa Izy (Jesosy Kristy) kosa, rehefa nanao fanatitra iray monja ho mandrakizay noho ny ota, dia efa mipetraka eo an-tànana ankavanan’Andriamanitra. Hebreo 10:12

 

Mipetraka Izy, fitsaharana ho antsika izany !

Ny filazantsara nosoratan’i Marka dia maneho an’i Jesosy ho ilay mpanompo mahafoy tena ho an’Andriamanitra. Ny fiafaran’io filazantsara io dia mampiseho amintsika an’i Jesosy nampiakarina ho any an-danitra, ary mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra. Vitany ny asa nankinin’Andriamanitra taminy (Jaona 17:4-5). Koa mipetraka Izy izao, toy ny mpanompo afaka miala sasatra satria nahavita ny asany. Tsy fitsaharana vonjy maika izany, fa “mipetraka mandrakizay” Izy.

Matoa Andriamanitra nampipetraka an’i Jesosy teo ankavanany, dia satria afa-po Izy tamin’ny sorona nataon’i Jesosy teo amin’ny hazofijaliana. Nampipetraka Azy teo amin’izany toeram-boninahitra izany Andriamanitra, mba hanambarany fa ampy sy lavorary ny asa nataony teo amin’ny hazofijaliana. Nanomboka hatreo dia afaka manolotra famelan-keloka Andriamanitra, afaka mamonjy izay rehetra mino an’i Jesosy. Ny hoe Jesosy mipetraka dia misy akony goavana ho an’ny kristiana, satria fototra iorenan’ny fiadanany. Izy, Jesosy, mantsy, no “fihavanantsika” (Efesiana 2:14).

Misy fisalasalana ve ato anatiko, na kely ihany aza, momba ny famonjena ahy, momba ny maha afaka ahy amin’izay rehetra mety ho fanamelohana ? Manjavona izany fisalasalana izany, raha hitako amin’ny finoana fa Jesosy dia mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra. Efa milamina izany ny momba ireo fahotako. Efa nentin’i Jesosy tamin’ny tenany izany, tamin’Izy teo amin’ny hazofijaliana. Mbola tsy ho nipetraka ny Mpamonjiko, raha tsy efa nanonitra tanteraka teo anatrehan’Andriamanitra ireo fahotako. Kanefa, satria efa mipetraka Izy, dia afaka manam-piadanana aho. Raha manambara Andriamanitra fa afa-po, dia afaka ny hilamin-tsaina tanteraka aho.

 

Tompo ô, hitanay Ianao any ambony any, ao anatin’ny hazavana.

Mipetraka ho anay eo ankavanan’Andriamanitra Ianao.

Ny fitsaharanao feno voninahitra, taorianan’ilay kapoaka mangidy,

No fiadanana lavorary ho an’ireo ondry malalanao.