Alatsinainy 7 Septambra 2020

Ny tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy, mba ho velona ianareo. Amosa 5:14

Jesosy ... nandehandeha nanao soa. Asan’ny Apostoly 10:38

 

Ny tena soatoavina

Nandritra ny lanonana iray fizarana ny mari-pahaizana, rehefa avy niarahaba araka ny fanao ny ben’ny tanàna, dia nitaona ny mpianatra hanontany tena momba ny atao hoe tena soatoavina, saingy tsy nilaza hoe inona avy ireo. Tsy manana soridalana harahina intsony ny fiarahamonina misy antsika, ka tsy afaka manolotra valinteny momba izany lohahevitra izany. Ary ireo hafatra aelin’ny haino aman-jery ve mba tena soatoavina tsara atoro olona ? Matetika izy ireny dia mampirisika hanana toe-tsaina tia mifaninana, mieboebo, manao ankosotra, mitsara etỳ ivelany… Ary “izay zavatra heverin’ny olona ho ambony dia fahavetavetana eo anatrehan’Andriamanitra” (Lioka 16:15).

Koa inona àry izany ireo tena soatoavina ? Ary aiza no hitadiavana azy ? Ao amin’ny Baiboly, satria io no Tenin’Andriamanitra. Ny fampianaran’i Jesosy Kristy ao amin’ireo filazantsara dia mampahafantatra antsika azy ireo : fitiavana, hamoram-panahy, fiantrana, fanetren-tena… Ary mampiseho azy ireo ny fiainany manontolo.

Tokony hanahaka an’i Kristy àry ve isika, toy ny nataon’ny apostoly Paoly (1 Korintiana 11:1) ? Eny, kanefa tsy misy olona afaka manao izany, raha tsy efa nandray ny aina vaovao, ny fiainana mandrakizay. Hoy Jesosy : “Izay mino [Ahy] no manana fiainana mandrakizay” (Jaona 6:47).

Raha nandray Azy ho Mpamonjintsika isika, dia homeny isanandro ny hery ara-toe-panahy ilaintsika ; aoka isika hangataka izany aminy. Mila mamaky isanandro ny Baiboly ihany koa isika, mba hahafantarantsika Azy bebe kokoa. Amin’izay isika dia afaka ho vavolombelona, tsy momba ny tena soatoavina ihany, fa indrindra koa ho vavolombelon’Ilay nanolotra ny ainy ho antsika, sy nampahafantatra antsika ireny soatoavina ireny, tamin’ny ohatra nomeny.