Talata 8 Septambra 2020

Fa izay itoeran’ny harenanao, dia ho any koa ny fonao. Matio 6:21

Ny fitahian’i Jehovah no mampanankarena. Ohabolana 10:22

 

Aiza no misy ny harenantsika ?

Ry kristiana, manao ahoana ny fifandraisantsika amin’ny firoboroboana sy ny harena ? Raha ara-pisainana fotsiny, dia fantatsika tsara fa tsy maharitra sy miovaova izay rehetra omen’izao tontolo izao ; fa manao ahoana kosa, ara-pampiharana ? Any amin’ny firenena tandrefana ny olona dia nanana ny ampy efa am-polon-taonany maro izao, ary nisy fiantraikany izany, teo amin’ny fiainan’izy ireo. Tsy matetika ve izany no nanosika tsikelikely azy ireo ho zatran’ny zavatsoa mampiadana, izay mety hanjary ho tena sakana ho an’ny fiainana ara-panahy ?

Ny apostoly Paoly dia efa nanoratra sahady hoe : “Anaro ny mpanankarena amin’izao fiainana ankehitriny izao mba tsy hiavonavona, na hatoky ny harena miovaova, fa Andriamanitra, Izay manome antsika malalaka ny zavatra rehetra mba hifaliantsika, mba hanao soa, mba hanankarena amin’ny asa tsara, hazoto manome sy miantra, ka dia hihary fanorenana tsara ho an’ny tenany ho amin’ny andro ho avy, mba hihazonany ny tena fiainana” (1 Timoty 6:17-19).

Ny Baiboly dia manome antsika ohatra, toy ny an’i Mosesy, izay “nanao ny fanaratsiana (ny fanalam-baraka) an’i Kristy ho harena be lavitra noho ny zavatsoan’i Egypta” (Hebreo 11:26). Tamin’ny finoana i Mosesy no nahita “Izay tsy hita [maso]” (Hebreo 11:27).

Ankehitriny “ny haben’ny harenan’ny fahasoavany (ny fahasoavan’Andriamanitra)”, dia aseho antsika “amin’ny fahamoram-panahiny amintsika ao amin’i Kristy Jesosy” (Efesiana 2:7), Izay tonga avy tany an-danitra mba hamonjy antsika. Efa azo antoka fa ho antsika ireo harena ireo, izay “harena any an-danitra tsy mety ho lany, izay tsy azon’ny mpangalatra, sady tsy misy kalalao manimba” (Lioka 12:33).