Alarobia 9 Septambra 2020

Avia, mihainoa ianareo rehetra izay matahotra an’Andriamanitra, fa holazaiko izay nataony ho an’ny fanahiko. Salamo 66:16

Sitrako ny hanambara ny famantarana sy ny fahagagana izay nataon’Andriamanitra Avo Indrindra tamiko. Daniela 3:32

 

Ilay andro tsara indrindra teo amin’ny fiainako

— Mba lazao hoe, dadabe, ny andro tsara indrindra teo amin’ny fiainanao ?

Hay ! Hitanao, nisy andro niainako fifaliana tena lehibe, ary koa andro niainako alahelo be…

Tamin’ireo fandehandehanako dia maro ny zavaboary kanto nampitolagaga ahy : ny taniefitr’i Sahara, ny ranomasimbe midadasika, ny tandavan-tendrombohitra Alpes rakotra ranomandry… Nefa hafa noho ireny ny andro tsara indrindra teo amin’ny fiainako !

Mbola tsaroako toy ny vao omaly izany ; vao 17 taona aho tamin’izay. Diso ny fiheverako an’Andriamanitra, talohan’io fotoana io. Ny fahitako Azy mantsy dia toy ny zandary miandry izay hahitany fahadisoana ataontsika, mba hanasaziany antsika. Marina fa meloka avokoa isika eo anatrehany. Nefa rehefa namaky ny Baiboly aho, dia nahatakatra fa tia ahy Andriamanitra ka naniraka an’i Jesosy Kristy Zanany, mba ho voasazy nisolo toerana ahy. Eny, Jesosy no nivesatra ny fahamelohako. Nokapohin’Andriamanitra Izy, mba tsy ho voakapoka aho na oviana na oviana. Tsy takatry ny fieritreretana izany fitiavana mahatalanjona izany ! Zava-baovao tamiko izany ! Ny hany tokony hataoko dia ny mino Ilay Andriamanitra fitiavana sy mino an’i Jesosy maty ho ahy. Dia nataoko izany. Nitokana irery aho, nandohalika teo an-joron-trano. Niaiky teo anatrehan’Andriamanitra aho fa tsy nankatò Azy, ary nangataka taminy mba hamela ny heloko. Fantatro fa nataony izany. Dia nofenoiny fiadanana sy fifaliana lalina aho. Eny tokoa ! Io no andro tsara indrindra teo amin’ny fiainako… Nosoratako tao anatin’ny Baiboliko ny datin’izany. Ary izao koa, tsy mba niala tamiko mihitsy intsony ilay fiadanana nomen’Andriamanitra ahy tamin’io andro io.

Ianao koa, tia anao Andriamanitra ; ny andro hahatakaranao izany no ho andro tsara indrindra eo amin’ny fiainanao koa, andro tsy ho hadinonao mandrakizay !