Alakamisy 10 Septambra 2020
Mahonòna tena, miambena : fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha tahaka ny liona mierona, mitady izay harapany ; tohero izy, ka miorena tsara amin’ny finoana ianareo. 1 Petera 5:8, 9
Eo amina vato iray, ao anatin’ilay tilikambo malaza antsoina hoe Tour de Constance, any Aigues-Mortes (Frantsa), dia misy soratra voasokitra efa ho telonjato taona lasa izay, kanefa mbola eo mandraka izao, manao hoe : “Manohitra”. Io soratra sokitra io hono dia nataon’i Marie Durand (1711-1776), vehivavy nogadraina nandritra ny 38 taona noho ny finoany. Nosokiriny tam-paharetana izany, tamina fanjaitra angamba. Tsy isalasalana fa nataony ho an’ireo vehivavy mbola higadra ao anatin’io tilikambo io atỳ aorianany izany fampaherezana izany, kanefa dia tena ho an’ny kristiana rehetra.
Ho an’ny mpino rehetra izay miaritra, any amin’ny firenena maro any, ny hasomparan’ny manampahefana, manomboka amin’ny hetraketraka andavanandro ka hatramin’ny fanenjehana faran’izay mafy. Izy ireo dia afaka miantehitra amin’ny fampanantenan’i Jesosy hoe : “Aoka ho mahatoky hatramin’ny fahafatesana ianao, dia homeko anao ny satroboninahitra fiainana” (Apokalypsy 2:10).
Fa natao ho antsika ihany koa io teny baiko io, isika izay noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia tsy miaritra manampahefana mitsangan-ko fahavalo. Ho antsika ihany koa, satria mandoza mandrakariva i Satana, na maka ny endrika menarana fetsy na mierona tahaka ny liona mitady izay harapany. Tsikiloviny hatramin’izay fahalementsika kely indrindra, mba hampiasainy hampiviliany lalana antsika. Mitandrina tsara izy tsy hampiseho amintsika izay tiany hitondrana antsika, any am-parany. Ataony mangingina izany, hararaotiny ny fahafantarany efa hatry ny ela ny fon’ny zanak’olombelona ; saingy tsy havelany mora foana izay efa nanjary rembiny.
Aoka hiambina isika rehetra, na firy taona na firy taona. Marina fa mahery ny devoly, kanefa isika dia miaraka amin’i Jesosy. Ary Jesosy dia mahery noho ny devoly, ka efa naharesy azy teo amin’ny hazofijaliana. Sahia àry isika, ary aoka hampahery tena “ao amin’ny Tompo sy amin’ny herin’ny faherezany” (Efesiana 6:10).