Zoma 11 Septambra 2020

Fa ny famaizana rehetra dia tsy mba atao ho mahafaly andro anaovana, fa mampahory ; fa rehefa afaka izany, dia vao mitondra ny vokatry ny fahamarinana hiadanana ho an’izay nanaovana azy izy. Hebreo 12:11

 

Fitsapana madinidinika ny faharetana

Ny fiainantsika andavanandro dia feno fahasorenana madinidinika sy fahasosotsosorana isan-karazany. Teny mandratra, tsy fahalalam-pomba, tsy fahaiza-mankasitraka, sampona tsy nampoizina… Ireo rehetra ireo dia loza manambana ny finoantsika avokoa. Toy ny tsindrom-paingotra fotsiny ihany angamba izy ireo, nefa satria madinika sady miverimberina, dia mamely tampoka antsika ka manapotika ireo fikasana tsara ao anatintsika.

Manafaka tanteraka anefa Kristy, ka noho izany dia mahay mamaha ireny olana madinika ireny koa. Tokony hanovo hery ampy sy mahomby ao aminy isika, mba tsy hahakivy na haharesy antsika ireny tsindrom-paingotra ireny, fa mba hiova ho fitahiana antsika kosa izany fijaliana izany.

Miteny mazava amintsika Andriamanitra hoe : “maharo anareo mba tsy ho tafintohina” (Joda 24). Ndao àry hangataka aminy mba ho resy lahatra fa Izy no mamela hitranga ny fitsapana rehetra, na kely na lehibe. Ndao hiresaka izany amin’Ilay Raintsika ao amin’ny vavaka, ary hahatsapa fa tia antsika Izy ka te hampionona antsika. Dia ho vonona hizaka ny fijaliana isika, rehefa afaka manaiky fa mariky ny fitiavan’Andriamanitra avokoa ny zavatra rehetra mampijaly antsika, na avy amintsika ihany izany, na avy amin’ny hafa, na koa mivantana avy any ambony. Ary ho fitahiana antsika mihitsy aza ny fijaliana.

araka an’i A. Murray