Asabotsy 12 Septambra 2020

Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa atỳ amiko — Mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo. Isaia 55:3

Andeha, fa efa voavoatra izao ny fanasana. Lioka 14:17

 

Ireo tenin’ny Filazantsara : Andeha, mankanesa

Hita inefatra ao amin’ny Filazantsara nosoratan’i Matio ny teny hoe : “Andeha”, na “mankanesa”, tononin’ny vavan’i Jesosy. Ny fitaomana voalohany hoe : “Andeha hanaraka Ahy”, izany hoe : “Manaraha Ahy”, dia nataony tamin’i Petera sy Andrea rahalahiny (Matio 4:19). Fahefana lehibe aoka izany no tao amin’izany antson’i Jesosy izany, hany ka nandao ny zavatra rehetra izy mirahalahy ary nanaraka Azy !

Ary izaho, ry Tompo, inona no manakana ahy tsy hanatona Anao ? Ataovy mahatsapa izany aho, mba ho sambatra miara-miaina aminao amin’ny finoana !

Mahafinaritra erỳ ny teny faharoa nataon’i Jesosy hoe : “Mankanesa atỳ amiko, ianareo rehetra izay miasa fatratra” (11:28) ! Izany dia miantefa amin’ireo rehetra vesaran’ny zava-manahirana, tebiteby, fahamelohana, alahelo, ireo sasatra mamerin-javatra foana…. Ary ampian’i Jesosy hoe : “Fa Izaho no hanome anareo fitsaharana”. Fitsaharana ankafizina finoana tsotra sy feno, ao amin’ny fitiavany sy ny heriny.

Ny fahatelo dia ao amin’ny fanoharana momba ilay mpanjaka nanasa namana ho amin’ny fampakarambadin’ny zanany lahy (22:4). Eto dia Andriamanitra no manasa antsika hiditra ao amin’ny fifalian’ny fanjakany, satria mino ny Tompo Jesosy isika. Efa voaomany avokoa ny zavatra rehetra ; ny miteny hoe “eny” fotsiny sisa no anjarantsika.

Ary ny fitaomana fahefatra dia ho amina fotoana mbola ho avy, rehefa hiverina Jesosy mba hanjaka (25:34). Amin’izay Izy no hiantso ireo izay nino Azy, hoe : “Avia” ; nefa koa handroaka amin’ny teny hoe : “Mialà amiko” ireo izay nandà ny fanasany. Mandraka ankehitriny Jesosy dia mbola manasa ny olona tsirairay, manasa antsika, dia izaho sy anao.