Alahady 13 Septambra 2020

Tsy nisy nahita an’Andriamanitra na oviana na oviana ; fa ny Zanaka Lahitokana, Izay ao an-tratran’ny Ray, Izy no nanambara Azy. Jaona 1:18

... nampitenenany (nampitenanan’Andriamanitra) tamintsika ny Zanany... Izy no nahariany izao tontolo izao. Hebreo 1:1, 2

 

Andriamanitra etỳ an-tany

Mahare isika indraindray hoe : “Asehoy ahy Andriamanitra, dia hino Azy aho”. Ny fisainantsika ve afaka ho voafetran’izay hitan’ny masontsika ? Andriamanitra dia Fanahy ; tsy afaka hahita Azy ny mason’olombelona, ary tsy afaka hahatakatra ny momba Azy ny fisainany. “Fa Andriamanitra dia lehibe loatra, ka tsy leon’ny zanak’olombelona” (Joba 33:12).

Andriamanitra anefa dia mampahafantatra ny tenany. Tsy efa naneho ny tenany ve Izy, tamin’ny asan’ny tanany, ao amin’ny voary noforoniny ? Tsy hahazo antoka ve aho fa nisy nanamboatra ity famantaranandroko ity, raha tsy mahita ilay mpanamboatra azy ? Ary ahoana ny amin’ireo zava-mahavariana rehetra eo amin’ny voary, eo amin’ny vatan’ny olombelona ? Ny voary dia manaporofo ny fisian’Ilay Mpahary azy. Fa mihoatra noho izany no nataon’Andriamanitra : Izy tenany mihitsy no tonga teto an-tany. Ny fisian’i Jesosy Kristy dia azo antoka toy ny nisian’i Alexandra lehibe na i Napoléon. Andriamanitra dia nampahafantatra ny tenany tamin’ny alalan’i Jesosy Zanany. Misy olona tsy te hahita afa-tsy anganongano, ao amin’ny Filazantsara ; kanefa tsy azo isalasalana ny maha marina ireo fahagagana sy ireo tantara lazainy antsika : vavolombelona efatra samy hafa no mitatitra ny zava-nitranga. Ireo filazantsara dia miresaka ny asa feno fahefana sy fitiavana notanterahin’i Jesosy tamin’ny alalan’ny teniny… ; mampiseho amintsika ny fiainany madio sy masina ; mitatitra amintsika ny fampianarany, izay hita misongadina noho ny fitiavana, ny fiadanana, ny famelan-keloka, ary koa noho ny fahamarinana sy ny fahitsiana. Asehon’ireo filazantsara antsika fa manameloka ny ratsy Jesosy, nefa kosa mandray ireo rehetra fadiranovana, mamela heloka ireo izay mino sy matoky Azy. Jesosy Kristy no fanehoana Ilay Andriamanitra marina sy masina. “Andriamanitra ao amin’i Kristy no nampihavana izao tontolo izao taminy, ka tsy nanisa ny fahadisoany” (2 Korintiana 5:19).