Alatsinainy 14 Septambra 2020

Tsy tompon’ny tenanareo ianareo. Fa olom-boavidy ianareo, koa dia mankalazà an’Andriamanitra amin’ny tenanareo. 1 Korintiana 6:19, 20

(Hoy ilay mpanompo hebreo :) Tsy foiko ny tompoko sy ny vadiko ary ny zanako, ka tsy te ho afaka aho. Eksodosy 21:5

 

Tsy lehibeko ianao !

Ianao ve efa mba nahare zatovo niteny hoe : “Tsy lehibeko ianao” ? Tsy ny zatovo ihany no tsy tia baikobaikoina ! Tsara io fihetsika io indraindray, satria eo mandrakariva ny loza mitatao hiondrika be fahatany, manoloana ireo izay te hanjakazaka. Nefa matetika io fihetsika io no maneho fanoherana ny fahefana, ary izany dia iray amin’ireo kileman’ny fon’ny zanak’olombelona, fo feno avonavona, nanomboka tamin’ny nahalavoany tao amin’ny saha Edena.

“Tsy lehibeko ianao.” Na tsy manonona izany teny izany aza isika, tsy izany ve, raha ny marina, no ambarantsika amin’ny Tompo Jesosy, rehefa manilika Azy tsy ho eo amin’ny sehatra sasantsasany eo amin’ny fiainantsika isika ? Izy anefa no Tompontsika, Tompon’ny fiainantsika manontolo.

Ny fihetsik’ilay mpanompo ao amin’ny bokin’ny Eksodosy (ny andininy etsy ambony) dia maneho amintsika fa afaka miaraka, eo amin’ny fiainan’ny mpino, ny fanoavana sy ny fahafahana : “Tsy foiko ny tompoko sy ny vadiko sy ny zanako, ka tsy te ho afaka aho”. Inona moa no mahatonga ilay mpanompo ho afaka ? Ny fitiavany ny tompony sy ny ankohonany. Izany indrindra no toerana misy ny mpino, eo amin’ny fifandraisany amin’Andriamanitra sy amin’i Jesosy Tompony. Arakaraka ny hatokiantsika an’i Jesosy, hatokiantsika ny fitiavany sy ny famelany heloka, no haniriantsika hanokatra ny varavaran’ny fiainantsika mba hidirany. “Ny fonareo dia efa nanaraka”, hoy ny nosoratan’ny apostoly Paoly tamin’ireo Romana (Romana 6:17). Ny fankatoavan’izy ireo dia tsy ivelany fotsiny, toy ny hoe fanoavana ny Lalànam-panjakana, fa valy omen’ny fon’izy ireo ho an’i Jesosy Kristy, valy omen’ny finoana. Ny tena fankatoavana kristiana dia fahafahana, fahafahana mitondra fitsaharana ho an’ny fanahy.