Talata 15 Septambra 2020
Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midira ao amin’ny efitranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin’ny Rainao, Izay ao amin’ny mangingina ; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin’ny mangingina, no hamaly anao. Matio 6:6
Talohan’ny niakaran’i Jesosy ho any an-danitra, dia nambarany tamin’ireo mpianany ny fifandraisana vaovao sy mahafinaritra ananan’izy ireo ankehitriny amin’Andriamanitra, fifandraisana mifototra amin’ny asa notanterahiny teo amin’ny hazofijaliana. “Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho” (Jaona 20:17). Nanjary zanak’Andriamanitra isika, ka afaka miresaka aminy tsy amin-tahotra, ary mahazo antoka fa henoiny.
“Mivavaha amin’ny Rainao…” Aoka isika hanaiky ho voakasik’io tenin’i Jesosy io. Tsy miteny amintsika Izy hoe : “Mivavaha amin’Andriamanitra”, na koa aza hoe : “Mivavaha amin’Andriamanitrao”, fa hoe : “Mivavaha amin’ny Rainao”. Ho amin’izany isika dia mila mitokana ka manidy varavarana vetivety amin’ny fiainantsika mirotoroto lava. Ny iray, hamela kely ny asa aman-draharahany ; ny hafa indray, hanidy ny findainy na ny solosainany ; ny tsirairay, hanidy ny varavarany mba tsy hidiran’ireo eritreritra mampisamboaravoara azy.
Manidy ny varavarako mba hihaonako amin’Ilay Raiko, Izay ao amin’ny mangingina. Hitany ny ao anatin’ny foko lalina indrindra, ny ratrako miafina, ny henatro, ny antsoantsoko mangina ; ary ny fijeriny dia fijerim-pitiavana. Ny fatokiana ny fitiavan’Ilay Raiko no iorenan’ny vavaka rehetra.
Ny hoe mivavaka ao amin’ny mangingina, dia mivavaka am-pahamarinana, tsy te hiseho ho olon-kafa, fa mangataka amin’Andriamanitra mba hanome antsika, noho ny fahasoavany, ny fanetrentena, ny fahatahorana, ny fatokiana miaraka aminy.
“Ary ny Rainao ... hamaly anao.” Maro tsy voatanisa ny valiny omen’Andriamanitra ireo vavaka ataontsika. Rehefa mivavaka isika, dia mampiditra fiadanana lalina ao anatintsika ny Fanahy Masina. Rehefa eo amin’ny fanatrehan’ny Ray dia foana ny tahotra sy ny ranomaso, ary soloiny fifaliana : faly satria tian’Ilay Raintsika Izay any any an-danitra.