Alarobia 16 Septambra 2020

Sa hamavoinao ny harenan’ny fahamoram-panahiny sy ny fandeferany ary ny fahari-pony, satria tsy fantatrao fa ny fahamoram-panahin’Andriamanitra dia mitaona anao hibebaka ? Romana 2:4

 

Nanakana ahy tsy hibebaka ny avonavona

« Nahazo fanabeazana kristiana aho tamin’ny fahazazako. Toy ny kristiana mihitsy no fijery ahy etỳ ivelany, na teo imason’ireo mpino aza. Tsy menatra aho nilaza tamin’ireo namako fa “kristiana ara-pilazantsara”, kanefa dia mbola very aho, lavitra an’Andriamanitra. Matetika aho amin’ny alina dia nanonofy ratsy nampivarahontsana ahy. Nampatahotra ahy ny mandrakizay tsy hisy an’Andriamanitra, satria fantatro fa mpanota aho eo anatrehany, ary Izy tsy handray mpanota any an-danitra. Nieritreritra matetika momba ny dikan’ny fiainana aho, ary ny fehin-kevitra notsoahiko dia ny hoe tsy misy ilana azy ny fiainako. Hoy aho anakampo : « Hatao inona koa izao fiainana izao ? Tsy misy dikany satria mandalo ny zavatra rehetra ! » Tsy nandray fanapahan-kevitra hentitra mihitsy tao am-poko aho, nefa nitombo hatrany tato anatiko ny filana hino an’i Kristy.

Koa indray hariva, rehefa avy nahare indray ny fitaomana handray an’i Jesosy ho Mpamonjiko manokana aho, ary resy lahatra fa mpanota, dia nanaiky hibebaka tamin’ny fahadisoako sy hino an’i Kristy. Niaiky ny fahotako aho ary nangataka famelan-keloka tamin’Andriamanitra, niangavy Azy hanao ahy ho zanany. Noho ny fanampiany, dia resy ny avonavona nanakana ahy nandritra ny taona maro tsy hibebaka noho ny fahadisoako sy tsy hanetry tena teo anatrehany. Teo no ho eo aho dia nahatsapa vesatra niala teo an-tsoroko, ary hafaliana sy fiadanam-be tonga tato am-poko. Toy izany no nankafizako ny fahamoram-panahin’Andriamanitra, ary nanomboka tamin’izay fotoana izay aho dia nahazo antoka fa voavonjy. Toy izany no niantombohan’ny fiainako ao amin’i Kristy. Niaraka tamiko ny Tompo, nampahery ahy tao amin’ny finoana. »

Giacinto B.