Alakamisy 17 Septambra 2020
Raha misy manao azy ho mpivavaka, nefa tsy mamehy ny vavany, fa mamitaka ny fony, dia zava-poana ny fivavahan’izany olona izany. Jakoba 1:26
Aza mety hofitahin’olona akory ianareo. 2 Tesaloniana 2:3
Ao amin’ny Baiboly, ny teny hoe “mamitaka” sy “fitaka” dia midika mandrakariva hoe : “manoro vohony, mampiala olona amin’ny tanjony”. Taomin’Andriamanitra isika mba tsy hanaiky hofitahin’ny nofinofy sy ny lainga, izay mampanantena antsika fahasambarana tsy ao amin’Andriamanitra sy tsy araka izay ankasitrahiny. Ny olona dia mety ho :
— voafitaka harena hita maso. Araka izany, iray amin’ny tanjon’ny dokam-barotra ny hampitsimoka faniriana hanana izay tsy ananana ary tsy dia tena ilaina akory. Ny Tompo dia mampitandrina antsika, manoloana ny fitaky ny harena izay “mangeja ny teny” (Marka 4:18-19), sady manakana antsika tsy hihaino ny Tenin’Andriamanitra sy tsy hampihatra izany.
— voafitak’olona. Na dia tsy manan-tsaina mahimahina avy hatrany aza isika, ary tia ny namantsika tahaka ny tenantsika (didy ao amin’ny Lalànan’i Mosesy, ampahatsahivina impito ao amin’ny Testamenta Vaovao), dia tokony hiambina. Miambina mba tsy ho voatarika namana hanao ratsy, tsy hihaino dokadoka ataona mpiara-miasa, tsy hanaiky hotarihina kristiana hiombona aminy handray fihevitra tsy mifanaraka amin’ny Baiboly.
— voafitaky ny devoly. Hoy ny apostoly Paoly tamina mpino : “Fa matahotra aho, fandrao ny sainareo ho simba ..., tahaka ny namitahan’ny menarana an’i Eva tamin’ny fihendreny” (2 Korintiana 11:3).
— voafitaky ny tenantsika ihany. Ity no fitaka sarotra hita indrindra. Hoy i Paoly amintsika : “Fa raha misy manao ny tenany ho zavatra, kanjo tsinontsinona, dia mamitaka ny tenany izy” (Galatiana 6:3).
Ahoana no hananana saina mahiratra mba tsy ho voafitaka ? Mitady ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, izay tsy mba mamitaka na oviana na oviana, ary mamela ny Fanahy Masina hitarika antsika.