Zoma 18 Septambra 2020

... Nohajambain’ny andriamanitr’izao tontolo izao (Satana) ... ny sain’ny tsy mino, mba tsy hiposahan’ny fahazavan’ny filazantsaran’ny voninahitr’i Kristy, Izay endrik’Andriamanitra. 2 Korintiana 4:4

Fa Andriamanitry ny fiadanana hanorotoro an’i Satana faingana eo ambanin’ny tongotrareo. Romana 16:20

 

Ny devoly, mino azy ve ianao ?

Nandritra ny taona vitsivitsy izao, dia maro amin’ny zava-nitranga mampihoron-koditra (famonoan-tena, vonoana olona, sns.) no ampifandraisin’ny haino aman-jery amin’ny anaran’i Satana. Na izany aza anefa dia re ihany, indraindray, ny teny somary maneso hoe : “Dia mino izany ve ianao, mino an’i Satana ?” Maro mantsy ny olona tsy mino ny fisiany. “Ny hafetsena tsara indrindra ampiasain’ny devoly, dia ny mandresy lahatra anao fa tsy misy izy”, hoy ny poeta Baudelaire.

Tsy mino ny fisiany angamba ianao, nefa ny Baiboly dia manamafy amintsika fa ny devoly dia zavaboary tena marani-tsaina, ary fahavalo ara-panahy lozabe. Io fanahy ratsy io, mpikomy amin’Andriamanitra sy mpiampanga ny mpino, no mitarika “ny fanahy ratsy eny amin’ny rivotra” (Efesiana 6:12). Mampitandrina antsika Jesosy fa ny devoly dia “mpamono olona hatramin’ny taloha ... mpandainga izy sady rain’ny lainga” (Jaona 8:44). Hatramin’ny niantombohan’ny zanak’olombelona, tao amin’ny saha Edena, dia efa nahavery ny olona i Satana. Mbola manohy izany izy, amin’ny fampiasany hafetsena maro karazana (Efesiana 6:11), mba hanosehany ny olona hanao ratsy. Mamitaka ireo olona hiharan’ny fanafihany sy ny hafetseny izy. Ary izy aza dia “mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ny mazava” (2 Korintiana 11:14), mba hamitahany na dia ny mpino aza, raha azony atao : izy no tena fahavalon’ny fanahin’izy ireo. Nefa na dia manohy manajamba ny fisainan’ny olona aza izy, dia mbola mamiratra ihany “ny fahazavan’ny filazantsaran’ny voninahitr’i Kristy” (2 Korintiana 4:4). Satana, izay mpanapaka ny ratsy, dia miasa ho an’ny faharatsiana sy ny fahafatesana. Fa Jesosy Kristy kosa, Izay naharesy azy teo amin’ny hazofijaliana, dia nanafoana ny herin’ny fahafatesana ary nampiseho mazava ny fiainana, tamin’ny filazantsaran’ny fitiavan’Andriamanitra (2 Timoty 1:10).