Asabotsy 19 Septambra 2020

Ny Tompo no hanome famantarana ho anareo : Indro, hanana anaka ny virijina ka hiteraka zazalahy ; ary ny anarany hataony hoe Imanoela (izany hoe : Andriamanitra amintsika). Isaia 7:14

 

Jesosy avy any Nazareta (1)

Fahaterahana mahagaga. Jesosy dia Ilay Zanak’Andriamanitra hatramin’izay. Teraka tetỳ an-tany Izy, tany Betlehema, nateraka tovovavy virijina antsoina hoe Maria. Hoy ve ianao hoe tsy hay atao izany ? Andriamanitra, Ilay Mpahary izao tontolo rehetra izao, dia mahay manao ny zavatra rehetra. Taonjato maro talohan’izany dia mpaminany jiosy maro no efa niresaka momba an’i Jesosy, ao amin’ny fizarana voalohany amin’ny Baiboly : “Fa ianao, ry Betlehema…, avy ao aminao no hivoahan’Izay anankiray ho Mpanapaka ho Ahy ao amin’ny Israely ; hatry ny fahagola no efa nivoahany, dia hatrizay hatrizay” (Mika 5:1 ; Isaia 7:14, andinin-tSoratra masina androany).

Fiainana feno fanaovan-tsoa. Nahafoy tena tanteraka Izy mba hanasoa ny hafa. Nanamaivana ny fijaliana ara-batana, ara-tsaina sy ara-panahin’ny olona maro Izy.

Jesosy dia nanatanteraka izay nolazainy ary nilaza izay noeritreretiny. Ny fiainany dia nanehoany ny maha Andriamanitra an’Andriamanitra, Izay fitiavana sy fahazavana ; ny fitondrantenany dia ohatra mampiseho fahadiovana lavorary. Ireo izay nandinika Azy dia talanjona ka nilaza hoe : “Tsara ny nanaovany ny zavatra rehetra ; fa sady mampalady ny marenina Izy no mampiteny ny moana” (Marka 7:37).

Jesosy avy any Nazareta dia nampianatra. Ny teniny sy ny fiainany dia samy nampiseho ny fahendreny sy ny fahefany. “Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany” (Jaona 7:46), hoy ireo nikasa hanisy ratsy Azy, nefa niova hevitra satria tohina tamin’ny zavatra nolazainy. Na oviana na oviana Jesosy dia tsy mamela ny olona tsy hiraika ; fa na ny olona tonga mandohalika eo anatrehany, na manjary mitsangana ho fahavalony. Fitiavana lehibe loatra, fahazavana mahery loatra ihany koa, samy nampiharihary ny faharatsiana ao anatin’ny fon’ny olona ireo. Taloha kelin’ny nahafatesany dia nilaza Jesosy hoe : “Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana” (Jaona 14:6).