Alahady 20 Septambra 2020
Aleon’ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany. Jaona 3:19
Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra. 1 Petera 3:18
— Fitsarana tsy marina. Nandà an’i Jesosy ny ankamaroan’ny olona. Ny mpiray tanindrazana taminy no nanolotra Azy eo am-pelatanan’ny Romana, mba hamonoana Azy ho faty. Intelo i Pilato, governora romana, no nanontany azy ireo hoe : “Ka inona àry no ratsy nataony ? tsy hitako izay helony tokony hahafaty Azy ; koa hofaizako Izy, dia halefako. Fa niantso tamin’ny feo mafy ny olona ka nangataka hanomboana an’i Jesosy eo amin’ny hazofijaliana. Ary nahery ny feon’ny olona. Ary Pilato dia nandidy hanao izay nangatahiny” (Lioka 23:22-24).
Ireo andinin-tSoratra Masina roa nomena antsika androany dia milaza ny antony nanamelohan’ny olona an’i Jesosy, sy ny antony naneken’i Jesosy izany.
— Ny fanomboana teo amin’ny hazofijaliana. Ny olon-dratsy lozan-tany sy ny mpanao ratsy mety hampidi-doza no nohomboana teo amin’ny hazofijaliana. Izany fomba fampijaliana izany no nosafidin’ny olona mba hanilihany tanteraka an’i Jesosy Kristy, Ilay marina.
Nanaiky hofaizina Jesosy, mba hisolo toerana antsika noho ny fahotantsika. Toy ny miteny amintsika Izy hoe : “Ny fahotanareo dia fahotako. Tezitra amin’ny ratsy Andriamanitra, noho izany dia raisiko amin’ny tenako izany ratsy izany, ary koa ny fahatezeran’Andriamanitra”.
Izany no zava-nitranga rehefa nijaly voahombo teo amin’ny hazofijaliana Jesosy. Nandritra ny adiny telo dia maizim-pito ny andro ! Ary ny fitsaran’Andriamanitra ny ota dia nilatsaka tamin’ny heriny manontolo tamin’i Jesosy. Rehefa nifarana ireo ora telo ireo, dia hoy Jesosy : “Vita” (Jaona 19:30).
Avy eo dia maty Izy. Ary nisy miaramila romana iray mbola nandefona ny lanivoany ihany. Ra sy rano no nivoaka noho izany. Ary Jesosy dia napetraka tao amina fasana nasiana tombo-kase sy nambenana.