Alatsinainy 21 Septambra 2020
(Hoy Jesosy :) Izaho manolotra ny aiko mba handraisako azy indray. Tsy misy manaisotra ny aiko amiko, fa ny tenako ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra azy Aho, ary manana fahefana haka azy indray. Izany didy izany dia azoko tamin’ny Raiko. Jaona 10:17, 18
— Nitsangana tamin’ny maty ! “Izany Jesosy izany dia efa natsangan’Andriamanitra, ary vavolombelon’izany izahay rehetra”, hoy i Petera sy ireo apostoly namany (Asan’ny Apostoly 2:32).
Telo andro taorianan’ny nahafatesan’i Jesosy, dia olona maro no nahita fa foana ny fasany. Vavolombelona marobe no nahita sy nahafantatra an’i Jesosy nandritra ny 40 andro : Maria Magdalena, ireo vehivavy hafa, ny apostoly, ary indray mandeha dia olona maherin’ny 500 no nahita an’i Jesosy nitsangana tamin’ny maty !
— Nampiakarina any an-danitra. Mbola nijery an’i Jesosy ny mpianany, no “nisy rahona nitondra Azy, ka tsy hitan’ny masony intsony Izy. Ary raha mbola nandinika ny lanitra izy ireo tamin’ny nandehanan’i Jesosy, indreo, nisy roa lahy teo anilany niakanjo akanjo fotsy, izay nanao hoe : Ry lehilahy Galiliana, nahoana no mijanona eto mijery ny lanitra ianareo ? Iny Jesosy Izay nampiakarina niala taminareo ho any an-danitra iny dia mbola ho avy tahaka ny nahitanareo Azy niakatra ho any an-danitra” (Asan’ny Apostoly 1:9-11).
Ny fitsanganana amin’ny maty dia mampianatra antsika hoe iza moa Jesosy Kristy : “Izy no Andriamanitra marina sy fiainana mandrakizay” (1 Jaona 5:20). Andriamanitra Izy, Ilay Tsitoha, naharesy ny fahafatesana ary Tompon’ny aina.
Ny fampiakarana Azy dia mampiseho amintsika fa any an-danitra, ankehitriny, dia misy olona iray nitsangana tamin’ny maty ; Jesosy io olona io, Ilay Zanak’Andriamanitra. Mipetraka eo ankavanan’Andriamanitra eo amin’ny sezafiandrianany Izy. “Rehefa nanao fanadiovana hahafaka ny fahotana Izy, dia nipetraka teo amin’ny tànana ankavanan’ny Lehibe any amin’ny avo” (Hebreo 1:3).
“Raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao ianao, ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena ianao” (Romana 10:9).