Talata 22 Septambra 2020
Izao no ahafantarantsika ny fitiavana, satria Izy (Jesosy) no nanolotra ny ainy hamonjy antsika ; ary isika kosa mba tokony hanolotra ny aintsika hamonjy ny rahalahy. Ary izay rehetra manam-pananana amin’izao fiainana izao, ary mahita ny fahantran’ny rahalahiny ka mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran’ny fitiavana an’Andriamanitra ao anatiny ? 1 Jaona 3:16-17
“Tiava ny namanao tahaka ny tenanao” : tsy misy afaka mandà ny lanja ara-toe-panahy ananan’io didin’Andriamanitra io. Ny firahalahiana dia ampahatsahivina eny amin’ny varavarambe fidirana eny amin’ny lapan’ny tanàna frantsay. Hindrahindraina ihany koa ny hoe “miara-miaina” ao anaty tontolo mandala ny fahamaroan-kevitra. Ny filazam-baovao anefa dia tsy mitsahatra mitantara olona norobaina na novonoin’ny hafa.
Nisy mpitondra fivavahana iray nanontany an’i Jesosy hoe : “Iza moa no namako ?” Izany fanontaniany izany dia manaporofo fa ny fony dia tsy afaka handray ny olona toa azy ho namany. Nieritreritra angamba izy fa voafetra ho eo amin’ny fianakaviany ihany ny atao hoe namana ? Tia tena hatrany am-boalohany ny olombelona. Ny tenany sy ny tombontsoany ihany no mameno ny sainy.
Nasehon’i Jesosy fa izay mahatakatra hoe iza moa no namany dia mangoraka manatona ireo ory, toy ny nataon’ilay Samaritana tsara fanahy voalazan’ny fanoharana. Toy izany mandrakariva no nataon’i Jesosy. “Nandehandeha nanao soa” Izy (Asan’ny Apostoly 10:38). Nefa dia natao tsinontsinona Izy ary nohomboana teo amin’ny hazofijaliana. Nahariharin’ny olona tamin’izany fa tsy tia ny tsara izy ireo, ary tsy mahafantatra ny atao hoe fitiavana ny fony. Isika, amin’ny maha isika antsika, dia “sady hala no nifankahala” (Titosy 3:3). Ahoana no hahatanterahantsika izay angatahin’i Jesosy hataontsika amin’ny namantsika ? “Mandehana ianao, ka manaova toy izany koa”. Tokony hanana fo toy ny Azy isika, fo afaka mitia na dia voailikilika aza. Raha mino Azy isika, dia homeny io fo io, fo nohavaozina. Manaraka izany isika dia tokony hanovo mandrakariva eo amin’ny loharanon’ny fitiavana, loharano ao amin’i Jesosy Kristy.