Alarobia 23 Septambra 2020

(Hoy Jesosy :) Ity firenena ity manaja Ahy amin’ny molony, fa ny fony kosa lavitra Ahy. Matio 15:8

Ary nahoana ianareo no miantso Ahy hoe : Tompoko, Tompoko, nefa tsy manao izay lazaiko ? Lioka 6:46

 

Ireo soatoavina kristiana tsy misy an’i Kristy hoe ?

« Inona no tavela amin’ny tontolo tandrefana kristiana rehefa tsy kristiana intsony izy ? Raha tsy misy na inona na inona tavela, dia rafi-piainana maty isika », hoy ilay filôzôfa antsoina hoe A. Comte-Sponville.

Olona maro, na tsy mino an’Andriamanitra aza, no manaiky ny soatoavina ara-toe-panahy nampianarin’i Jesosy sy namaritra ny fitondrantenany : fanetren-tena, fitiavana, hamoram-panahy, fahamarinana, fahitsiana, fandavan-tena, fitiavana ny namana. Fa lavin’izy ireo kosa ny tenan’i Jesosy, ary tsy fantany ny asany amin’ny maha Mpamonjy Azy. Raha mbola ankasitrahina ankehitriny ny lanjan’ny hafatra nentiny, nahoana Izy no tsy tena raisina tanteraka ?

Fahiny dia talanjona ireo izay nihaino Azy, noho ny tenin’ny fahasoavana naloaky ny vavany (Lioka 4:22). Nefa taoriana kelin’izany, nony voakiana tao amin’ny fieritreretany izy ireo, dia nitady ny hamono Azy. Ary farany dia nohomboana teo amin’ny hazofijaliana Jesosy. Rehefa nanilika an’i Jesosy ny olombelona, dia nampiharihary ny toetra maha mpikomy amin’Andriamanitra azy. Niaraka tamin’izany anefa, naneho ny fitiavany lehibe Andriamanitra, nanome Ilay Zanany mba hanefa ny trosan’ny fahotantsika. Ary mihoatra noho izany aza, nomen’Andriamanitra fo vaovao isika, nataony afaka manaraka an’i Jesosy, raha mino ny fitiavany. Izay miaiky fa tsy mahomby eo amin’ny lafiny ara-toe-panahy, ary mino an’i Jesosy ho Mpamonjy, dia mandray aina vaovao afaka maka tahaka ireo toe-panahy aman-tsaina ananan’i Jesosy.

Ndao isika hamaky ny Filazantsara, dia hahita an’i Jesosy miasa tsy mitsahatra, mba hanao soa.