Alakamisy 24 Septambra 2020

Fantatsika fa efa tafafindra niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana isika, satria tia ny rahalahy. 1 Jaona 3:14

Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao. Jaona 17:3

 

Inona no atao hoe kristiana ?

Ny atao hoe kristiana aloha, voalohany indrindra, dia tsy resaka fanarahana fivavahana, na soatoavina ara-toe-panahy, na fomba fiaina. Ny hoe kristiana dia olona manana fifandraisana amin’Andriamanitra.

Nanjary azo natao izany fifandraisana izany, noho ny nahafatesan’i Jesosy sy ny nitsanganany tamin’ny maty ; ary miorina io fifandraisana io, raha mino Azy aho. Fa raha tsy ivon’ny fiainako kosa io fifandraisana io, dia tsy afaka hitombo ara-panahy aho, na dia manaraka an-tsakany sy an-davany ny fombafomba ara-pivavahana aza.

Fifandraisana am-pitiavana amin’ny namantsika : izany no vokatry ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra ; tsy afa-misaraka ireo zavatra roa loha ireo. Ampy haharesy lahatra antsika ny misaina ireo didy lehibe roa notanisain’i Jesosy, hoe : tia an’Andriamanitra ary tia ny namana. Ny kristiana ve afaka ny tsy hiraika amin’ny zavatra ilain’ny hafa ? Tsy azo heverina izany, ho an’ny apostoly Jaona : “Ary izay rehetra manam-pananana amin’izao fiainana izao, ary mahita ny fahantran’ny rahalahiny ka mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran’ny fitiavana an’Andriamanitra ao anatiny ?” (1 Jaona 3:17).

Ny hoe tena manana fifandraisana marina amin’Andriamanitra sy hoe tia ny namana dia tsy avy amina zava-manery avy etỳ ivelany, fa fanehoana ny aina avy amin’Andriamanitra, noraisina tamin’ny finoana ny Tompo Jesosy. Ary ny ain’i Jesosy mihitsy izany. Izy dia nalemy fanahy sy nanetry tena, nahatandrina nijery ny zavatra ilain’ny hafa. Natoky an’Andriamanitra Izy, nankatò Azy teo amin’ny antsipiriam-piainany manontolo, hatreo amin’ny hazofijaliana. Nitsangana tamin’ny maty Jesosy, Ilay Zanak’Andriamanitra. Izy no Mpamonjy ireo rehetra mino Azy. Izy ireo irery ihany no mahay maka tahaka Ilay ohatra lavorary niaina ny fiainana kristiana.