Zoma 25 Septambra 2020

Ary nony nandalo teny amoron’ny Ranomasin’i Galilia Izy, dia nahita an’i Simona sy Andrea, rahalahin’i Simona, nanarato teo amin’ny ranomasina ; fa mpanarato izy. Ary hoy Jesosy taminy : Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo. Dia nandao ny harato niaraka tamin’izay izy ka nanaraka Azy. Marka 1:16-18

 

Manaraka an’i Jesosy

Matetika dia matetika isika no mandre ao amin’ireo filazantsara ny tenin’i Jesosy hoe : “Manaraha Ahy”, na koa “Andeha hanaraka Ahy”. Na oviana na oviana Jesosy dia tsy niantso ny olona mba hanompo Azy, fa mba hanaraka Azy. Amin’izao fotoana izao dia taomina mba hanara-dia an’i Jesosy ireo rehetra novonjeny tamin’ny asa nataony teo amin’ny hazofijaliana, ireo rehetra nanolorany ny ainy. Izany no nolazain’i Jesosy, fony Izy nisafidy ny mpianany ; ny antony voalohany, dia ny mba hiaraka aminy, mba “ho ao aminy”. Jesosy dia “nanendry roa ambin’ny folo lahy ... ho ao aminy sy hirahiny hitoriteny sady hanana fahefana hamoaka ny demonia” (Marka 3:14-15).

Rehefa niantso an’i Simona sy Andrea izay nanipy ny haratony Jesosy, dia niteny tamin’izy ireo hoe : “Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo”. Ny Tompo izany dia miantso namana hiara-miasa aminy, ho amin’ny asam-pahasoavana ataony. Antsoiny izy ireny, na eo aza ny fahalemen’izy ireny, ary omeny ny loharanon-kery rehetra ilaina. Manofana izay te hanaraka Azy Izy. “Mianara amiko ; fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho” (Matio 11:29). Ireo mpianany, izay nampianariny, dia naka tahaka ny fahazarany, ka fantatra “fa efa niaraka tamin’i Jesosy” (Asan’ny Apostoly 4:13).

Ho antsika dia midika izany, hoe mianatra ny hahafantatra Azy amin’ny famakiana ny Teniny. Ary raha miaina eo anilany isika, dia hanahaka Azy bebe kokoa. Tian’ny Tompo ho Azy manontolo isika. Hoy Izy : “Manaraha Ahy”. Saingy matetika isika dia mamaly hoe : “Aoka aho aloha…” (Lioka 9:59). Angamba isika tsy maintsy hahafoy zavatra sasantsasany ifikirantsika, na fahazarana sasantsasany… Ndao hanao toa an’i Petera sy Jaona : “Nandao ny harato niaraka tamin’izay ... ka nanaraka Azy”.