Asabotsy 26 Septambra 2020

(Ny fanantenana) ananantsika ho vatofantsiky ny aina sady mafy no tsy mihetsika. Hebreo 6:19

Ny finoana no fatokiana ny amin’ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita. Hebreo 11:1

 

Ny fanantenana kristiana, vatofantsiky ny fanahy

Nisy kristiana iray niresaka momba ny fanantenany ao amin’Andriamanitra, nahazo valinteny hoe : “Avelao izahay hilamina, karakarao ny lanitrareo ary avelao ho anay ny tany !”

Hajainay ny faharesen-dahatry ny mpamaky, na misalasala izy na tena tsy mino, saingy afaka hilamina tokoa ve raha tsy misy an’Andriamanitra ? Hay atao ihany ny miaina tsy mahafantatra an’Andriamanitra, nefa raha ny marina, afaka ny ho tena sambatra ve raha tsy misy Azy ? Tsy voafintin’ny lafiny ara-karena fotsiny mantsy ny fiainana eto an-tany. Nanindry izany Jesosy Kristy, hoe : “Tsy mofo ihany (tsy ny fananana hita maso ihany) no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’Andriamanitra” (Matio 4:4). Tsy afaka hanana fiainana feno izy, raha tsy mandray an’Andriamanitra eo amin’ny fiainany.

Ny hoe fanantenana kristiana indray, dia tsy fanantenana manjavozavo hahatanteraka izay irina tsy akory. Ny fanantenana kristiana dia finoana ny Tenin’Andriamanitra, izay Teny azo antoka. Hoy Jesosy : “Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona” (Matio 24:35). Faminaniana maro, anisan’izany ireo nanambara ny hiavian’Ilay Zanak’Andriamanitra, no manome fahazoana antoka ho an’ny mpino fa hanana hoavy sambatra izy. Ny mpino dia miantehitra amin’Andriamanitra, Izay naniraka an’i Jesosy mba hanafaka antsika amin’ny toetra maha mpanota antsika sy hampihavana antsika aminy.

Araka ny nampanantenain’i Jesosy, dia ho avy indray Izy (Jaona 14:2-3). Vonona ve isika ? Ny fahazoana antoka ny hiverenany indray no mitondra fampaherezana sy fiadanam-po ho an’ny kristiana. Eo am-piandrasana izany, dia Jesosy no heriny mba hiatrehany ireo fizahan-toetra eo amin’ny fiainana sy mba tsy halahelovany tahaka ireo izay tsy manana fanantenana (1 Tesaloniana 4:13).