Alahady 27 Septambra 2020

(Hoy Jesosy Kristy :) Efa maty Aho, nefa, indro, velona mandrakizay mandrakizay. Apokalypsy 1:18

 

Maty Izy kanefa velona indray

Niala sasatra tany amin’ny nenitoany, izay kristiana, i Mélodie kely. Ity nenitoany ity dia nitantara tamin’ilay zazavavy kely ampahany maromaro tamin’ny fiainan’i Jesosy tetỳ an-tany, sy ny fahafatesany teo amin’ny hazofijaliana. Nihaino tsara ilay zaza. Saingy tonga ny fotoana hatoriana… Ny ampitso maraina dia nipetraka hisakafo maraina ny rehetra. Hoy ny nenitoany : “Mélodie a ! hisaotra ny Tompo Jesosy isika, alohan’ny hisakafoana”. Kanjo nihoraka i Mélodie hoe : “Tsia, ry nenitoa a ! ianao aza, omaly, nitantara tamiko hoe maty Izy !”

Taitra aloha ilay nenitoan’i Mélodie, izay vao tonga saina fa mbola tsy voatantarany ny tena zava-dehibe. Ka nanohy haingana izy, hoe : “Eny tokoa ry Mélodie, notantaraiko anao omaly fa maty teo amin’ny hazofijaliana Jesosy ; andro zoma tamin’io. Saingy nitsangana tamin’ny maty Izy ny alahady maraina. Nahita Azy ny mpianany, niresaka tamin’izy ireo Izy, nasehony azy ireo ny tanany sy ny tongony, izay mbola nahitana ny dian’ny fantsika. Navelany hokasihin’izy ireo mihitsy aza izany. Nila nahazo antoka izy ireo fa tsy matoatoa no hitany, fa Jesosy mihitsy, tao anaty vatana, nisy nofo sy taolana (Lioka 24:36-39) ! Efa maty Izy, nefa ankehitriny dia tsy maty intsony ! Efa any an-danitra Izy, mipetraka eo amina sezafiandrianana.”

Eny, zava-dehibe fototra tokoa ny maha tena misy ny fitsanganana amin’ny maty ; fa raha tsy nisy izany, dia tsy misy lanjany ny finoana kristiana, araka ny nosoratan’ny apostoly Paoly hoe : “Raha tsy natsangana Kristy, dia foana ny finoanareo ; ary mbola ao amin’ny fahotanareo ihany ianareo... Nefa tsy izany, fa efa natsangana tamin’ny maty tokoa Kristy” (1 Korintiana 15:17, 20).

Tsy Mpamonjy maty no ananan’ny kristiana, fa Mpamonjy tena velona, Izay niakatra any an-danitra !