Alatsinainy 28 Septambra 2020
Hoy Mosesy tamin’i Jehovah : ... Tsy zakako izaho irery ny mitondra ity firenena rehetra ity, fa mavesatra amiko loatra... Vonoy mihitsy aho... fa aza avela hahita ny fahoriako aho. Nomery 11:11-15
Nanakaiky Ianao tamin’ny andro niantsoako Anao, ka dia hoy Ianao : Aza matahotra. Fitomaniana 3:57
Nasain’Andriamanitra nitondra ny vahoakany hivoaka an’i Egypta i Mosesy, mandra-pahatongany any amin’ny tany nampanantenainy homena azy. Afaka tamin’ny fanandevozana ny vahoaka, ka niampita ny Ranomasina Mena ; ary ankehitriny dia ny taniefitra no manoloana azy ireo…
Marobe izy ireo (lehilahy 600 000, miampy ny vehivavy sy ny ankizy) ary tsy mitsahatra ny mitaraina. Tsy nahafa-po azy ireo intsony ny mana, ilay hanina nalefan’Andriamanitra isanandro avy any an-danitra ho azy ireo ; ary tonga mihitsy hatramin’ny hoe nanembona ny fotoana naha andevo azy izy ireo !
Tsy zakan’i Mosesy intsony izany, ka teny feno fangidiana no nataony tamin’Andriamanitra, nofaranany tamin’ny hoe : “Vonoy mihitsy aho”.
Tsy nanome tsiny azy mihitsy Andriamanitra, ary nahatakatra ny fahoriany, ka nanendry lehilahy 70 hanampy azy, mba hanamaivana ny andraikitra niantsorohany. Fa tsy novaliany kosa ilay fangatahana diso tafahoatra nataon’ity mpanompony efa kivy. Satria fiafarana tsara lavitra no efa nomaniny ho an’i Mosesy. Rehefa tonga ny fotoana, dia avy eny amina tendrombohitra i Mosesy no hiara-mibanjina aminy ny fidadasiky ny tany nampanantenainy. Dia halainy ho any an-danitra i Mosesy, ary Izy tenany mihitsy no handevina ny fatiny (Deoteronomia 34).
Mahatsapa tena ho tahaka an’i Mosesy ve isika ? Mahatsiaro isika fa toa tsy afaka miatrika intsony ny asantsika mavesatra loatra, ny fahasahiranana ara-pianakaviana, ireo olana ao amin’ny fiangonana… Tahaka an’i Mosesy dia tsy zakantsika intsony izany, ka haleontsika avela eo tanteraka. Aza miraviravy tanana ; ny Andriamanitsika dia “miantra indrindra … sady be famindrampo” (Jakoba 5:11), ary te hanampy antsika hitondra ny enta-mavesatra lanjaintsika.
(hitohy amin’ny alatsinainy 5 manaraka)