Talata 29 Septambra 2020
Hoy Jesosy taminy : Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana ; tsy misy olona mankany amin’ny Ray, afa-tsy amin’ny alalako. Jaona 14:6
Ahoana no hahafantarako fa mandeha amin’izay lalana tokony halehako aho ? Na eny an-dranomasina na any an-taniefitra, dia efa hatry ny ela ny olona no nahay namantatra ny lalany, amin’ny alalan’ny masoandro na ny kintana. Ankehitriny, ny fitaovam-piondranana ampiasana zanabolana dia ahafahan’ny tsirairay mamantatra marina tsara ny toerana misy azy, sy ny lalana tokony hizorany, mba hahatratrarany ny tanjona hitodiany. Na tsy manana GPS (fitaovana famantarana ny toerana misy ny tena) aza aho, dia mbola afaka manontany mpandalo hanoro lalana ahy. Nefa mety tsy hisy hahomby ihany ireo fomba rehetra ireo. Indraindray ny rahona dia manakona ireo kintana eny amin’ny lanitra, tsy misy ilako azy ny GPS raha tsy afaka mahazo fifandraisana ; ary mety tsy hisy olona afaka hanoro ahy ny lalana tokony hizorako. Ahoana no hahazoako antoka fa tsy diso lalana aho ? Raha any amina toerana tsy fantatro aho, dia tokony hiaraka amina mpitari-dalana azo antoka.
Tsy mba hafahafa ihany ve, fa tsy manontany tena matetika kokoa ny ankamaroan’ny mpiara-belona amintsika hoe : “Mankaiza izao fiainako izao ? Mizotra mankaiza izao diako izao ?” Manohy ny lalany ny olona, manaraka ohatra, na manaraka lamaody sy fotokevitra asehon’ny haino aman-jery, na miaina am-pahazarana fotsiny. Manana ny asa aman-draharahany ny tsirairay, manana ny olona ifaneraserany, nefa raha zohina, mankaiza izy ? Inona na iza no manoro lalana antsika ?
Indro Jesosy maneho ny tenany ho Ilay Lalana, lalana mankany an-danitra, mankany amin’Andriamanitra, Izay fantatra ho Ray. Nino Azy aho, ary nahatsapa ihany koa fa mitari-dalana amin’ny fomba azo antoka ireo mibanjina Azy Izy. Izy no Ilay Mpitari-dalana tsy hita maso sady mahery. Mihoatra noho izany aza, Izy mihitsy no Lalana velona, azo antoka. Raha miala aminy dia ho very, ary farany, hianjera ka tsy ho tafarina intsony. Ianao koa, henoy Izy miteny aminao hoe : “Manaraha Ahy ianao” (Jaona 21:22).