Alarobia 30 Septambra 2020

Ahy ny volafotsy, ary Ahy ny volamena, hoy Jehovah, Tompon’ny maro. Hagay 2:8

Fa ny Tsitoha no ho akoram-bolamenanao sy akoram-bolafotsinao, ary ho volafotsy mamirapiratra ho anao. Joba 22:25

 

Ny fomba ikarakaran’Andriamanitra ny olony(1)

Mitantara i Paul Washer, mpitandrina amerikana :

« Tsy ho hadinoko mandritra ny fiainako manontolo ity tantara ity. Tamin’ny roa ora maraina tamin’izay ; vao nigadona tao amin’ny seranam-piaramanidin’i Lima (any Pérou) aho. Nampitondra vola ahy ireo rahalahy sy anabavy ao amin’ny fiangonanay any Etazonia, vola hampiasaina amin’izay rehetra mety hilàna azy mandritra ny dia. Tsy nety nahita tory aho, satria nisy baiko nibahana tato an-tsaiko : tsy maintsy mandeha tsy misy hataka andro any amin’ilay trano fivarotam-boky kristiana aho. Tsy aritro intsony, ka vao maraina be aho dia nandray fiarakaretsaka, ary tonga teo amin’ny trano fivarotam-boky talohan’ny hisokafany. Teo aho dia nahatsikaritra zatovolahy Indiana iray nipetraka teo an-tsisin’ny arabe, niandry tahaka ahy. Azoko antoka fa avy any anaty ala mikitroka izy ; efa niasa tany mantsy aho fahiny. Nipetraka teo anilany aho. Nanomboka niresaka izahay.

— Fa inona no ataonao eto Lima ?

— Nandeha nandritra ny telo andro aho, hahatongavako atỳ. Nanangom-bola ny fiangonanay, ka tonga eto aho mba hividy boky.

Hontsa ny foko. Fantatro ny fahantran’io foko io, ka fantatro fa tsy hahavidy izy, na boky iray monja aza !

Nisokatra ny varavarana, dia niditra izahay. Nosafidiko izay boky rehetra mety hahasoa ireo kristiana any anaty ala mikitroka ireo. Nitsikilo nanara-maso ilay lehilahy aho, dia nahita azy nitety ny laharam-boky, ary nony farany, nanatona talantalana nisy trakta mora vidy. Efatra no nosafidiny, dia naloany teny amin’ny kesy ny vidiny. Nanatona azy teny aho ; ketraka izy ary tsy nahaloa-bava na dia kely akory aza. »

(tohiny rahampitso)