Alakamisy 1 Oktobra 2020

Ny zavatra rehetra dia miara-miasa hahasoa izay tia an’Andriamanitra, dia izay voantso araka ny fikasany rahateo. Romana 8:28

 

Ny fomba ikarakaran’Andriamanitra ny olony (2)

« Nasehoko azy ireo boky rehetra novidiko ho azy, ary hoy aho taminy :

— Fantatrao ve hoe avy aiza aho ?

— Tsia.

— Avy any Etazonia, 950 km miala eto. 800 dôlara ny saran’ny tapakila nandehanako fiaramanidina. Vao tonga halina aho, ary tsy nety nahita tory. Fantatrao ve hoe nahoana ?

— Tsia.

— Holazaiko anao àry : volana vitsivitsy izay, dia nisy olona maromaro tany Etazonia, natosik’Andriamanitra hanome vola ahy. Dia nanosika ahy hividy tapakila-na fiaramanidina Izy, mba hankatỳ sy hifoha maraina androany, hihaona aminao sy hividy ireto boky rehetra ilainareo ireto ! » Hoy ihany i Paul Washer nanohy :

« Takatrao ve ny fitiavan’Andriamanitra ? Aza milaza amiko hoe kisendrasendra izao, fa hiteny ratsy an’Andriamanitra eo ianao, na hiteniteny foana ! Nandritra ny volana maro Andriamanitra dia nanomana ny fo sy ny toejavatra iainan’olona am-polony, mba tsy hiverina tanam-polo io kristiana mahantra aoka izany io. Ary raha nitia io lehilahy io toy izany Izy, dia tia ahy toy izany koa, tia ny zanany rehetra toy izany koa. E ! raha mba takatsika kokoa mantsy hoe mahatalanjona Ilay Andriamanitsika ! »

Ry kristiana, ny Andriamanitsika dia manokana ho antsika zavatra mahagaga, “izay tsy mbola hitan’ny maso ary tsy mbola ren’ny sofina, na niditra tao am-pon’ny olona, na inona na inona... efa namboarin’Andriamanitra ho an’izay tia Azy” (1 Korintiana 2:9). Dia tsy hatoky Azy ve isika ?